Mampiditra mamoaka, sady mandrehitra no mamono afo sa mikopaka tsimoramora dia mody maka aina mialoha ny tena andrarahana solika ny afo amin’ny ora tsy ampoizina ?
Akatoky ny taom-pifidianana isika ankehitriny ary na ny vaomiera manokana napetraka hikarakara sy hanao izay hahatontosa azy aza dia efa miaiky fa efa mafampana sahady ny toe-draharaha kanefa mbola misy herintaona. Miharihary ny fanaparam-pahefana sy ny fanaovana fampielezan-kevitry ny antokon’ny fitondrana. Kimaimaika ary efa novakiana fotsiny, araka ny fitenin-jatovo, fa kajikajy politika no nametrahana ny filohan’ny antokon’ny fitondrana ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona. Niteraka resabe talohan’io ny fivoriana parlemantera tokony ho notontosaina tao amin’ny lapa maitson’Anosikely izay nivadika ho fivoriana manokan’ireo parlemantera HVM samirery. Toy izany koa ny kaongresin’ity antoko ity izay nifangaro tamin’ny fivoriana tomponandraiki-panjakana tany Mahajanga farany teo. Misondrotra be ny vidim-bary. Milaza ny avy eo anivon’ny fitondrana fa manana vahaolana ary dia mbola nanamafy omaly fa hidina io amin’ity herinandro ity. Ny zavatra tsikaritra foana aloha tao ho ao dia toy ireny efa stratejiam-panjakana ireny mihitsy ny fampiakarana matetika ny entana ilaina andavanandro mialoha ny mody hampidinana kely izany avy eo toy izay efa niaraha-nanaraka mikasika ny vidin-tsolika. Stratejia vaovao ve ilay mampiditra mamoaka toy ny lelon-jaza ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.