Edito

Mampidi-kizo hatrany!!!


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Mifanontany tena ny fiarahamonina hoe inona no mba zavatra voafehin’ny fanjakana amin’izao fotoana ?

 

 

 Ny hita aloha dia tsy voafehy ny zava-drehetra na ny jiro na rano na dahalo na miaramila na ny diplaomasia na toekarena na politika na katolika na datin'andro,… Mbola mihantsy ady sy manao vava be tamin’ny diany tany Ambatondrazaka sy Antsirabe. Manomboka miaka-pofona ny olona, fa rehefa tsy mahavita dia miala. Naka ny seza sy fahefana nanao izay fomba rehetra, eny fa nisy ny tetika namohehitra, saingy nekena mba tsy hisian’ny korontana sy ny savorovoro. Tonga eo tsy misy hapoaka, fa ny fampanatenana sy fampiesonana no betsaka. Tahaka ny tamin’ny 2009 sy ny tetezamita ihany, dia tena nidi-kizo ny firenena ankehitriny. Mila mandinika ny filoha ary mila mihaino sy mijery ny olana, ny tokony hahitsy. Izay mba miteny sy manakiana anefa lazaina fa fahavalo. Ny filoha no fantatry ny rehetra manoloana ny olana samihafa eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mety ny ekipa no misy tsy mahavita azy na misy mihitsy ny manana ny hambo-po politika handingana ilay filoha, ka mamingana sy manipy hoditr’ankodro. Mila mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary satria tena harapak’ireo ekipa mpamadika, raha tsy mahay mamindra eo. Ekena fa mahay serasera Atoa Andry Rajoelina ary miezaka maneho sary tsara amin’izay zavatra hataony, indrindra rehefa mivoaka ny faritra. Mipatrapatraka ny fampanantenana hanao zavatra. Ny olana anefa, dia toa tezaina amin’ny sarasera sy resaka tsara lahatra fotsiny ny vahoaka, ary manomboka mahatsapa fa lasan-ko vavany ny mpitondra matetika. Betsaka ny zavatra goavana hampanantenaina, kanefa ny zavatra heverina ho madinika aza tsy voafehy sy tsy voavaha. Toa vao misokatra ny vava, dia fantatra ny hambara, ka sao tokony hiova famindra sy fomba fanao fa efa vakiana fotsiny, hoy ny tanora e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT