Edito

Mampidi-kizo !


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Tsy mety lafo hatramin’izao ilay fiaramanidina Air Force One faharoa nodradradradrain’ny FAT fa tsy maintsy amidy mba hanampiana ny vahoaka Malagasy.

Efa 6 ny governemanta nifandimby teto, efa nisinisy ihany ireo olona tao anatin’ny fitondrana tetezamita nitady mpividy tetsy sy teroa saingy tsy nety raikitra mihitsy ny varotra, ary dia mipetra-potsiny, kely sisa dia efa ho lasa tranon’akoho ao Ivato ao ilay fiaramanidina, tokony ho nampiasain’ny filohan’ny FAT, na nomena tsotra izao ny Air Madagascar. Tsy nety lafo ilay izy satria tsy misy firenena na orinasa vahiny tsy miankina hividy entana amina fitondrana voasazy sy tsy eken’izao tontolo izao izany, na ahoana na ahoana filazan’ny mpitondra eto amintsika.

Azo antoka fa nahalala tsara izany izy ireo tany am-piandohana fa dia nanao kabary ambony vavahady sy lainga tsara lahatra fotsiny mba hambaboana ny fon’ny vahoaka. Izao indray dia teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fanapahana ny fifanarahan’ny fitondrana Malagasy miaraka amin’ny Air Madagascar sy ilay orinasa vahiny mampanofa ireo fiaramanidina Boeing ampiasaintsika nanomboka tamin’ny 2004. Nambaran’i Andry Rajoelina mantsy fa mamono antoka ny Air Mad fotsiny ny endri-piaraha-miasa nataon’ny fitondrana teo aloha izany ka tena tsy mety sy mahavaky fo mihitsy. Hokarohana, hono, ny olona nanasonia io fifanarahana io mba atao fanadihadiana lalina, ary mety hisy fiaraha-miasa vaovao hataontsika miaraka amin’ny Airbus.

Tonga dia mahatakatra tsara ny tian’ny FAT hahatongavana ireo mahalala tsara ny raharaha politika sy ny fifandraisana ara-barotra sy fifandraisana iraisam-pirenena satria tian’ireo mpitondra ankehitriny sy ny mpiara-dia aminy ailika tsotra izao ny kaompania Boeing izay Amerikanina ka hampidirina eto Madagasikara ny Airbus, izay Eoropeanina ary ny Frantsay no tena mahazo tombontsoa aminy. Izay no tena marina fa mety resaka be fotsiny ny ambin’izay. Io ilay efa nambara teto foana hoe miaro ny tombontsoan’ny Frantsay sy izay miara-miasa aminy i Andry Nirina Rajoelina, ka tsy maintsy mitady ny hevitra rehetra hanilihana ireo rehetra niara-niasa tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ka amoronana izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao hoe nambotry ny firenena sy nihinana volam-panjakana ary namitaka ny vahoaka.

Nokianina tamin’ny resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany ka nampiditra ny QMM sy ny Sherrit ny fitondrana Ravalomanana, kanefa noraiketin’ny FAT ihany ny fifanarahana amin’ny Sinoa hitrandraka vy ao Soalala, ary nambara fa efa tamin’ny 2008, hono, io «dosie» io. « Nahoana ary no nekena sy nomena alalana ihany ? », hoy ny maro kanefa nambara fa olona nifampiraharaha tamin’ny fitondrana teo aloha. Tahaka izany ihany koa ny resaka fampanofana tany amin’ny Daewoo Corporation nalaza be tamin’ny 2008–2009, izao anefa voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana mihitsy fa afaka mividy tany eto Madagasikara ny teratany vahiny, ary hisy fepetra manokana hahafahan’ny vahiny manorina trano eto sy mivezivezy malalaka eto. Asakasak’ireo mbola manantena fiovana goavana, fa raha ny tena marina dia mampidi-kizo tanteraka an’i Madagasikara ary mamerina ity firenena ity eo ambany ziogan’ny mpanjanatany teo aloha ny FAT.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT