Ny toetr’andro mafana tsy laitra avy eo oram-be mivatravatra, miakatra ny rano amin’ny faritra maro manerana ny nosy ny amin-tanàn-dehibe io na ambanivolo.
Ny asan-jiolahy miha mahery vaika, tsy voafehy intsony ny fitsaram-bahoaka fa dia efa sahy manapa-doha ankehitriny ny Malagasy. Tsy tambo isaina ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpitondra antsika, azo hanaporofoana izany ny fisosasosan’ny fiaran’izy ireo misongona rehefa misy ny amboteiazy eto an-drenivohitra. Ny vidim-piainana mampikaikaika ny vahoaka, isika mbola gidany amin’ny karazam-pilaharana rehetra eto ambonin’ity planeta tany ity, ary malaina ny hanampy ara-bola antsika ireo mpiara-miombon’antoka satria tsy misy ny antoka mazava hiarovana ny fampiasam-bola sy tena hahatafapaka any ifotony tokoa ireny tetikasa marobe vatsia’ny vahiny vola ireny, be loatra ny kolikoly eto. Dia asa fa mety noho izany angamba no mahatonga ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra manao resaka mivoaka sy miditra, tsy fantatra intsony izay tian-kolazaina, toa hila hivoaka ny vala izy ireo ary tsy mahatsapa intsony ny tena zava-misy marina. Ka raha ny mpitarika no tsy mahalala ny tokony hataony dia izay no vita anie izany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.