Edito

Mampiana-dratsy


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Tsy atao mahagaga raha matetika manao kabary fiarovan-tena sy fanadiovan-tena ary fandokafan-tena ny manampahefana tato ho ato izay.

Mafy ny fanakianana, izay mitombina tokoa, satria roa taona nihodinkodina ny teto, fampanantenana an-taoniny fa ny asa maivana na tsy misy. Maro ireo zavatra misafotofoto ary voaporofo isan’andro fa tsy mahafehy ny fitantanana ny firenena intsony ny mpitondra. Hita, ohatra, tamin’ny hetsika fizarana fimailo nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Fihetsika tsy dia misy dikany amin’ny sasany kanefa tena zava-doza satria ny lohany amin’ny fanabeazana eto amin’ny firenena mihitsy no efa manentana ny ankizy mpianatra hanao firaisana ara-nofo. Omaly indray, fety be teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, dia nampirevy ny mpianatra tokoa ny fitondram-panjakana. “ Sahobin’ny ankizy ” no anaran’ny hetsika. Ny raharaha anefa dia tsy nisy ny fanaraha-maso fa dia revy tokoa no hita teny Mahamasina. Nandeha ny toaka sy ny sigara, ny ankoatr’izay efa tsy fantatra intsony. Ny hira sasany teny an-tsehatra amin’izany narahana fihetsika mampihetsika fitombenana sy tonony tsy dia mendrika loatra. Marina fa ankatoky ny fetim-pirenena izao, fa izany kosa ve no zavatra aseho ny ankizy mialoha ny hiatrehany fanadinana (BEPC sy BAC). Tena tompon’andraikitra manam-panahy tsara ve no mahita hevitra hanao hetsika tahaka ireny ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT