Edito

Mampatahotra


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Mba rahoviana ihany ary no tena hilamina ny oniversite eto Madagasikara ? Izay no fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro ankehitriny taorian’ny nipoiran’ny disadisa vaovao teny Ambatomaro momba ny trano fonenan’ny mpianatra.

 Raha fintinina ny resaka dia raikitra ny savorovoro satria milaza ireo mpianatra avy eto Analamanga fa manao mizana tsindrian’ila amin’ny fizarana ny trano ny ao amin’ny CROUA, ka misy ireo mpianatra avy any amin’ny faritra hafa mahazo tombony. Tamin’ny herinandro lasa no nipoiran’io resaka io. Niha nahery vaika ny raharaha nanomboka afak’omaly. Niakatra teny Ankatso ary nanakatona ny biraon’ny CROUA ireo mpianatra avy eto amin’ny faritra Analamanga nahatsiaro tena fa niharan’ny tsy rariny. Tonga teny an-toerana koa ny mpianatra sasany avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nafampana ny fifamaliana ary dia niafara tamin’ny tora-bato. Vao tsy ela akory izay no nikorontana ny tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ary dia mpianatra avy amina faritra roa samy hafa ihany koa no nifanandrina. Nisy mihitsy moa ny maty. Mampanahy be ihany ity raharaha ity satria miha tafiditra tsikelikely ao anatin’ny fifandirana ny resaka fiaviana sy firazanana. Zovy anefa no tsy mahalala fa eny amin’ny oniversite no tena ahitana ny zanaky ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. Raha sanatria mahazo vahana io fanindraindrana ny fiaviana io dia hisoko miadana eny ny adim-poko dia hitatra avy eo. Mampatahotra ary tena mampihoron-koditra ity resaka ity, satria maro no alaim-panahy hieritreritra fa sao misy ambadika politika ireny tranga eny amin’ny oniversite ireny, na hosoavalian’ny mpanao politika sasany dia hivadika zavatra hafa mihitsy.

Hatramin’ny 1972 mantsy dia mora ho an’ireo mpanao politika ny manetsika ny mpianatra eny amin’ny oniversite mba hanehoana fa misy zavatra tsy milamina eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Natao fitaovana politika ny mpianatra sy ireo fikambanan’ny mpianatra, tahaka izany koa ireo fikambanana isam-paritra niaviana. Eo no mahasarotra ny raharaha ary tokony hitandreman’ireo tomponandraikitra mamaha ity olana ity. Raha amin’izao krizy politika tsy mety mivaha izao no mahazo laka eny amin’ny oniversite indray ny fifandrafian’ny Foko izatsy sy izaroa dia ho ratsy ny ho tohin’ny tantara. Tokony hohazavaina tsara mihitsy ny fototry ny olana.

Raha niangatra na niandany tamin’ny olona mitovy fiaviana aminy marina ny tompon’andraikitra voalohany tao amin’ny CROUA dia mila raisina ny fepetra mifandraika amin’izany, alamina kosa ny raharaha raha tsy mitombina ary hazavaina tsara amin’ireo mpianatra milaza fa niharan’ny tsy rariny ny zava-misy marina. Raha filam-baniny fotsiny ihany koa ny an’ireo mpianatra ireo dia anjaran’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana no mijery izay tokony hatao amin’izy ireo. Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, saingy mila famakamakana sy fanadihadiana lalina kosa izay vao ampiharina ny lalàna. Antenaina fa mahafantatra tsara ny mety ho voka-dratsin’ity fifanandrinan’ny mpianatra samy hafa fiaviana eny Ambatomaro sy Ankatso ity ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony ka tena hahay handamina araka ny tokony ho izy ny raharaha, fa raha tsy izany dia mampatahotra ny ho tohiny ary tena mety ho …zava-doza sarotra hotsaboina !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT