Edito

Mampanonofy, mampirevy


  • Alarobia 03 Oktobra 2012

Nisy ny fotoana namoaka didy hahafahana manondrana ny volamena ny fitondrana tetezamita, avy eo nofoanana indray izany.

 Natao nanakoako fa nifarana ny fe-potoana nitantanan'ny Jirama ny fandraharahana ny rano ka hafindra amin'ny Kaominina indray izany, dia naato indray aloha avy eo io fanapahan-kevitra io. Izao indray eo amin'ny resaka fitaterana dia namoaka teny midina ny ministera fa zotra iray, ho an'ny kaoperativa iray ihany no azo ekena, miseho io ny tsy fankatoavan'ny ampahan'ny mpitatitra izany ka asa na hampiharina tsy misy ady varotra io didy navoaka io na dia hiverina amin'ny teniny indray fitondrana tetezamita. Raha natsangana ny komity manomana ny fandrafetana ilay filankevitry ny fampihavanana malagasy, dia tahaka ireny hoe dia hanao inona ireny ery ! Nivoaka anefa ny lisitra avy eo, dia ny olona efa tsy nahavita nampihavana ihany fa toa vao mainka aza nandrehitra ny fifanandrinana no mbola hita ao. Nipoapoaka ny kabarin'ny filohan'ny tetezamita tany Betroka fa hoe, ho any Etazonia sy Eoropa ny tenany ka hikaroka fitaovana hanampiana ny foloalindahy amin'ny ady amin'ny dahalo. Toa nijanona ho kabary fampanantenana fotsiny anefa izany hatreto, fa mbola alefa any ivelany indray, hono, ny teknisianina avy amin'ny foloalindahy.

F'angaha tsy azo nalamina mialoha izany dia mba niara-niainga teto Madagasikara ka zaraina ny asa rehefa tonga any ivelany. Ny tian-kambara dia be loatra ny fampanantenana sy kabary politika ato anatin'izao tetezamita izao, manan-talenta manokana mampanofinofy sy mampirevy vahoaka i Andry Rajoelina sy ekipany, fa raha asa mivaingana hanasoavana ny vahoaka dia ...nofy izany. Averina eto indray ilay fanontaniana nanesoana ny mpitondra teo aloha : f'angaha azo hanina ny kianja manara-penitra ? Raha vita milay be ve ny kianjan'ny rugby etsy Andohatapenaka dia hihatsara ny fari-piainan'ny eny ambany tanàna ? Fa inona marina ny tanjon'ireo minisitra akaikin-dRajoelina mitety faritra ka mampanantena fa atao izatsy, amboarina izaroa ? Dia ahoana avy ny mason-tsivana nisafidianana ireo faritra ireo ?

Sao dia izay tena maro olona ampy taona hifidy no novonjivonjena ? Koa tsy izany ve ilay propagandy mialoha ny fotoana e ? Dia avy aiza koa moa izany ny vola holaniana amin'ireny fitsidiham-paritra sy fampanantenana ireny e ? Rehefa natao ny fandinihana sy ny kajy dia tsy misy azo antenaina firy ny amin'ny hihatsaran'ny fiainana eto, raha mbola tahaka izao ny fandehany. Nofinofy sy revy no betsaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT