Edito

Mampandry adrisa


  • Talata 02 Aogositra 2016

Tsy manana vahaolana maharitra manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana ankehitriny ny fanjakana. Niakatra ny vidin-jiro sy rano, niakatra ny filana andavanandro :


 vary, saribao, siramamy sy maro hafa.  Efa in’efatra niakatra ny vidin-tsolika ary mandrangaranga fanondrotana saran-dalana indray ny mpitatitra amin’ny 26 aogositra ho avy izao. Tsy misy ny vahaolana fa ny tsapa dia matahotra fipoahana ara-tsosialy ny mpitondra ka miezaka mampandry adrisa sy manao kabary tsara lahatra. Mikasika ny vidin-tsolika, nanambara ny minisitry ny vola sy ny tetibola fa tsy hisy ny fiakarana amin’ity volana aogositra ity. Mihevitra ve izany ny mpitondra fa zakan’ny vahoaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ateraky ny fidangan’ny vidin-tsolika ankehitriny ? Heverin’ny fanjakana fa mahafaly ny vahoaka ny fanambarana ny tsy hisian’ny fisondrotana ao anatin’ny iray volana ? Manaporofo ny tsy fisian’ny finiavana mba hampidinana ny vidim-piainana eto Madagasikara izany fa famonoana afo mba tsy hisian’ny fipoahana ara-tsosialy fotsiny no atao. Raha resaka fanavotam-pirenena dia tsy amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao no hisian’izany, hoy ny resaka eny rehetra eny. Vahaolana maharitra no ilaina amin’izao fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny izao saingy fitaka, kabary tsara lahatra, vahaolana tandrametaka lava izao no ampiesonana ny vahoaka.

                                                                                                   Toky  R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT