Edito

Mampanahy fatratra


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Mampanahy fatratra ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Mbola hita ho mitombona hatrany ilay fanehoan-kevitr’ireo mpamakafaka maro hoe “mamono afo sisa no ataon’izao fitondrana izao”

 na koa hoe “manao fampandehanan-draharaha sisa”. Na dia efa nanaovana tsikera maro aza dia mbola hita ihany fa lasa fitaratra na hoe “référence” iaingan’ny fanapahan-kevitr’izao fitondrana izao ny tambazotran-tserasera sy haino aman-jery. Azo raisina ho lafin-tsarany amin’izay ny hoe maneho serasera entiny milaza fa fitondrana mihaino ny fitondrana ankehitriny saingy amin’ny lafiny iray koa anefa dia isan’ny midika izany fa tsy manana paikady na politika mazava ary mety tsy hanana izany intsony mihitsy angamba hamahana izao olana misy eto amin’ny firenena izao ny fitondram-panjakana mijoro. Sambany, hoy ny vazivazy tao anaty tambazotran-tserasera tao, no nisy filoham-pirenena na koa hoe fitondrana nanao veloma vatsy tsinjo. Am-bolana maro no tsy nahitana tomponandraikitra tamina minisitera iray, eny, ny minisitra ao anatin’izany mihitsy nidina an-kianja naneho ny maha tomponandraikitra voalohany azy amin’ny fanaovana asa sosialy sasany saingy nony napetraky ny filazam-baovao ny fanontaniana hoe aiza izy no toa takona anatin’itony tokony ho anjara andraikiny itony dia ny ampitson’iny ihany no nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera ny “serasera” fa manao ilay izy ny tenany. Raha ny seraseran’ny fitondrana ankehitriny dia tena manao ny ainy tsy ho zavatra sy tena miasa tokoa izao fitondrana izao saingy rehefa midina eny amin’ny fiarahamonina eny kosa ary mahita ny fahasahiranan’ny ankamaroan’ny mpiara-belona dia tsikaritra fa mety mamitaka io serasera io ary tsy ny vahoaka ihany no mety ho voafitany fa hatramin’ireo tandapa mihitsy koa aza, indrindra moa fa ny filoham-pirenena izay raha ny lojikan’ny arofenitra aloha dia tatitra no betsaka tonga ao aminy. Ny resaka vidim-piainana, jiro sy rano, fandriampahalemana, fihariana ankapoben’ireo mponina mihitsy, na ny tsy fahatomombanan’ireo fotsiny aza dia efa manaporofo hatrany fa mety hamitaka io serasera io.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT