Edito

Mampamangy ny mampamangy


  • Zoma 29 Janoary 2021

Mandeha ny mandeha, hoy ilay fomba fiteny teo aloha teo izay rehefa misy

 

 

 

tranga miteraka resabe hita ho fanetriben’ny firenena teto. Raharaha “Bonbon sucette”, “écran plat”, andramena, volamena sy ny hafa rehetra dia nahenoina izany avokoa saingy raha izao fitrangany izao izany dia tsy ho mandeha ny mandeha fotsiny intsony no ho fiteny fa mampamangy ny mampamangy mihitsy. Nandeha teo ny raharaha nosy Malagasy saingy any iny dia any. Ireo rehetra efa voalaza teo ireo koa anefa efa hita ho tonga amin’ilay hira hoe mampamangy any anatiny any. Mbola azo antenaina hiseho ve ny mangaraharaha momba ny raharaha volamena 73,5 kilao sy ireo hafa rehetra ireo? Ny karazan-tany heno lasan’ireo teratany vahiny anefa hila hitovy amin’ny mihinam-bary koa ny fahenoana azy isan’andro. Tsy misy mpitondra na mpanao politika hita ho miraharaha izany rehetra izany fa ny ady seza hatrany aloha hatreto ho azy ireo no tsikaritra ho tena mamy. Mifanjinja amin’ny fifamaliana anaty haino aman-jery ny mpanohana ny fitondrana sy ireo lazainy fa mpanohitra. Miverina indray ny fifampihantsiana niandoha tamin’ny 14 taona lasa fony mbola hoe hisy TGV hanavotra an’Iarivo. Tsy izany moa, kinanjo, no nitranga taty aoriana fa TGV haingam-pandeha tamin’ny fampahantrana ny vahoaka Malagasy mihitsy. Variana mifanenjika sy mifanimba isika samy isika raha toa ireo tena fahavalom-pirenena malalaka amin’ny fandritrana ny harentsika.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT