Edito

Mampamangy


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010


Nivalona teo indray iny aloha ny resaka Vontovorona. Nandao ny toerana ny mpanao politika mba hidiran’ny mpanao mariazy indray anio, hikorana. Lasa tsy nitondra vokatra anefa, fa toa romoromo indray aza no nisarahana. Sady tsy nandany fehin-kevitra no tsy nanao sonia. Samy manana ny fomba nahitany sy ny heviny manoloana iny fihaonana hafa kely iny ny rehetra, fa ny nibaribary tsy azo nafenina dia ny fihetsiky ny mpanao politika Malagasy. Tsy vitan’izay be nahoana fa nanalabaraka ny fihogahogany ary koa ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifanaja. Nitranga izany rehetra izany nandritra ity fampihaonana teny Vontovorona ity ary niseho teo imason’izao tontolo izao. Vavolombelona nahita maso ny tsy fahamatorana ny iraky ny mpanelanelana iraisam-pirenena tonga eto. Mazava fa dia fahafaham-baraka tanteraka ny an’ny mpanao politika malagasy. Ary ny toe-javatra toy itony teny Vontovorona itony no manome rariny ny sehatra iraisam-pirenena raha miteny fa “sans qualité” toy ireny tany New York ny taona 2009 ireny. Olon-tokana no voatebaka imaso tany, fa mahafaoka be koa ilay izy rehefa tomorina.

Vokatr’itony kifivoriana etsy sy eroa itony koa no mampitombo ny voambolana, izay mivadika ho fepetra, mivoaka avy amin’ireny vondrona misy an’i Madagasikara ireny. Raha namoaka ny fehin-keviny momba an’i Madagasikara ny SADC, nandritra ny fivoriambe nataony tao Windhoek Namibia ny 18 aogositra 2010, dia nanampy voambolana hoe : “crédiblilité” (itokisana), raha toa ka “neutralité” (tsy miandany) sy “inclusivité” (tsy manilika) ary “consensualité” (tenierana) no nisy hatramin’izay. Nivoaka io teny  “crédiblilité” io taorian’ilay dinika namoahana fifanarahana politika teny Ivato ny 13 aogositra 2010. Mahatsapa ny sehatra iraisam-pirenena fa ataon’ny sasany kilalao ny raharaha famahana ny krizy mitarozaka namotika ny firenena ity, ary tsy ampy fahamatorana ny mpanao politika Malagasy. Nomena “chance” ihany anefa tamin’ny fanaovana iny dinika teny Vontovorona iny, nefa vao mainka fahafaham-baraka no azo ary dia nampamangy teo ny “crédiblilité”-n’ny mpanao politika. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT