Fanina tanteraka ny vahoaka ! Inona daholo itony hagegena asehon’ny mpitondra malagasy any an-tanin’olona itony ? Setrin’izany anefa dia tsy heno hatramin’izao hoe io fa voasazy ilay nigarigany fa dia vao mainka aza omaly nomena ny oroka mamy.
Toa ho antso an-tany efitra ihany raha ireny tranga niseho ireny ny an’ireo sendika marobe mitaky fanadihadiana ireo olona maro voatonona anatina raharaha mahafaty ny firenena. Ny vahoaka malagasy natao tsinontsinona, ratrana lalandava amin’ny alalan’ny valinteny boraingina ny fony ary na ny fanazavana mikasika ny fidangan’ny vidim-piainana aza toa tsotsorina eny fotsiny foana dia vita. Mbola misy minisitra sahy miteny ihany fa efa milamina ny tany kanefa isan’andro dia ahenoana halatr’omby atsy, hala-jaza miharo hala-taova aroa. Aiza koa no hisy tany milamina hanjakan’ny kolikoly izany. Na ny mpitondra ao aminy aza tsy manaja ny rafitra misy ao amin’ny fireneny sy ny habaka tokony hanaovana fanambarana amin’ny vahoakany. Tsy efa famonoana an-kolaka ny valalabemandry ve izany rehetra izany mba tsy hilazana hoe mamosavy vahoaka tsotra izao ? Mimenomenona moa sisa no hany mba hain’ny tsy mandadiharona fa ny tenany efa bibilava sinambotr’ankizy, tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.