Edito

Mamosavy tena sahady !


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Marina fa eo am-pelantanana ny fahefana. Tsy azo lavina fa mety afaka manao izay tian-katao manampatra fahefana ny fanjakana ankehitriny.

 

 

 Mandeha ny mokon-doha sy ny amboletra tsy hijerena etika politika ka izay mety mijoro manakiana sy manitsy ny mpitondra indray no mety hahita loza. Andeha hekena ary fa azo ny maro an’isa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy nierina akory anefa ny taona dia efa nitotongana sahady ilay fahefam-panjakana azo satria nilatsaka ambany dia ambany ny fanohanan’ireo ambara fa nampandany ny filoha efatra volana lasa izay, raha tarafina amin’ny fifidianana solombavambahoaka nilatsaka ambany dia ambany ireo olona nifidy ireo kandidam-panjakana. Midika io fa tsy marin-toerana sy milatsaka ambany be sahady ny taham-panohanana sy ny fankafizan’ny olona nifidy ilay Filoha. Izy tenany izay efa nekena fa Filohan’ny Malagasy rehetra no nanava-tena sy maneho fitanilana niharihary tamin’ny kandidany, izay voararan’ny lalàmpanorenana, saingy azy ireo ny fahefana, azy ireo ny basy aman-tafondro,… ka toa tsy misy afa-mikofoka eo anatrehan’ireny. Rehefa marefo ve ilay fitondram-panjakana dia ny amboletra sy ny herisetra ary fandrangarangana hery no hamenoana azy ? Naman’ny mamosavy tena ! Mandady ny trambo, ary poizina ho an’ny filoha tokony ho mpampiombona io toa manangam-pahavalo ao anatin’ny fahefana tsy marin-toerana io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT