Nampiavaka izao fitondrana tetezamita izao ny fahamaroan’ny raharaham-pitsarana mahakasika mpitondra teo aloha, mpanao politika, miaramila ary mpanao gazety.
Amin’ity anio ity izao dia hiakatra eny Anosy indray ny mpanao gazety telo mirahalahy sy tangalamena iray. Raharaha andramena no resaka eto ary tsy hiverenana eto intsony ny zavatra nitranga ka nahatonga izao fitsarana izao fa efa fantatry ny maro. Ny manitikitika ny saina fotsiny dia ny mety ho fihetsiky ny fitsarana. Raha toa ka misy olona iray voatonontonona matetika amina afera tsy dia mazava loatra, tsy tokony handray andraikitra hampanao fanadihadiana lalina ve ny fitsarana, fa tsy mionona fotsiny managadra ny mpamoaka vaovao na manafaka azy ireo, noho ny fisalasalana.
Raha toa mantsy ka tena diso 100% ny nambaran’ny Tangalamena Zakariasy Patrick, dia mihatra aminy ny lalàna, fa raha tsy izay dia mihatra amin’ilay mpanao aferana andramena koa e ! Raha ny tokony ho izy dia tsy ampidirina lalina amin’izao raharaha izao ny mpanao gazety, izay mitatitra ny vaovao, fa ny loharano nipoiran’ny vaovao no tokony ho nadihadiana lalina. Ary ilay olona voatonona an-gazety sy amin’ny siosion-dresaka etsy sy eroa koa, dia mila hadihadiana lalina fa tsy hoe rehefa avara-patana dia olo-masina ka tsy mba mety ho diso na azon’ny fakam-panahy mihitsy.
Tany Etazonia izao farany teo dia nametra-pialana tsy ho filohan’ny sampam-pitsikilovana na CIA intsony ilay jeneraly mpitari-tafika malaza, ary voalaza fa manamboninahitra Amerikanina tena matsilo sy henjana amin’ny resaka paikady. Izy no nibaiko nandritra ny 5 taona ny andian-tafika iraisam-pirenena tany Afghanistan. Fantatra fa nampirafy ny vadiny izy, ary efa niaiky izany. Mbola hanaovana fanadihadiana koa izy noho ilay fanafihana ny masoivoho Amerikanina tany Benghazi – Libia, satria tena nokianin’ny olona mafy ny CIA. Tsy hoe nitsangana ny filoha Barck Obama, na parlemantera demokraty vitsivitsy ka niaro azy, na hoe tsy azo entina eo amin’ny fitsarana na raharaha satria manamboninahitra tena henjana no voakasika fa aleo aloha handeha ny fanadihadiana lalina dia ho hita eo izay tohiny. Efa tena betsaka ny resaka manodidina ny bizina ataon’ireo manampahefana sy olona akaikin’ny fitondrana tetezamita eto amintsika, fa tsy misy na dia iray amin’izy ireo aza, mba voaantso matetika tahaka ny mpanao gazety ka nalaina am-bavany na niatrika ny mpitsara zokiolona. Ny any ivelany izao aza, efa miteny fa misy mpitondra fanjakana, mpanao politika mpandraharaha tafiditra ao anatin’io raharaha andramena io, fa mody fanina ihany ny ao amin’ny fitsarana e ! Dia lazaina fa mamorona daholo izay mba mahalala zavatra momba an’io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.