Miha mafy hatrany ny hetsika ara-politika eto Antananarivo ankehitriny. Tonga eto an-drenivohitra ny olon’ny mpanohitra avy any amin’ny faritra maro samihafa manerana ny nosy hanatevina ny rodobe.
Niverimberina tamin’ireo kabary sy fanehoan-kevitra avy amin’ny mpitarika ny mpanohitra ny hoe : mila miala mihitsy i Andry Rajoelina satria nampidi-kizo ny firenena. Eo amin’ny fitantanana sy fitondrana ny firenena mihitsy no miteraka resabe amin’izao fotoana satria hita fa tena mamono afo fotsiny sisa no ataon’ny fitondrana tetezamita. Eo ny olan’ny oniversite izay tsy ahitana vahaolana mahomby fa fampanantenana sy kabary mipoapoaka no ataon’ny minisitra dia raikitra ihany avy eo ny savorovoro. Mahafantatra tsara ny tontolon’ny oniversite anefa ny Pr Rabesa Zafera Antoine ary nantenain’ny maro fa hahavita tsaratsara kokoa noho ilay teo alohany. Maha kely finoana ihany ny mety hivahan’ilay olana. Araka ny tombantomban’ny maro dia tsy maintsy hisy ihany ny fihaonan’ny filohan’ny FAT amin’ireo mpianatra. Dia inona izany no ilana ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony raha izany ? Dia mbola io resaka mamono afo fotsiny io ihany koa no tsy mbola mampilamina ny eny amin’ny Banky Foibe sy ny Fitsarana ary ny Paramed. Tsy horesahana intsony ny momba ireo mpampianatra FRAM izay mitaintaina isaky ny handray karama. Milaza anefa ny mpitondra fa tsy tokony hisy hampiahiahy fa misy tsara ny vola ary mahavita ny asany ny fanjakana. Toa ny mifanohitra amin’izay foana no mitranga ary rehefa tena atao ny kaonty dia tsy mahavita mamaha olana mihitsy ireo tompon’andraikitra ambony fa mamono afo amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny kabary etsy sy eroa fotsiny. Toa mitombina ihany ny filazana fa tsy afaka manao na inona na inona ny fitondrana fa dia mandray ny fitarainana sy ny fitakiana fotsiny fa tsy maintsy miandry ny filoha voafidim-bahoaka amin’ny fomba demokratika vao miditra amin’ny fikaroham-bahaolana tena mahomby ny fitondram-panjakana. Ny olana anefa dia efa nabosesika tao an-tsain’ny olona nanomboka tamin’ny desambra 2008 fa tonga ny fotoan’ny fanovana ary hiasa haingana kokoa noho ny teo aloha rehetra ny TGV. Efa ho telo taona aty aoriana, tsy hita izay vahaolana fa ny olana indray aza no nitombo, ary rehefa angataham-panazavana ny manampahefana dia milaza hatrany fa misy ambadika politika ireo fitakiana etsy sy eroa. Fa sao dia fialana bala fotsiny amin’ny tsy fahaizana mitantana sy mamaha olana ary izany e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.