Edito

Mamofona kajikajy sisa


  • Zoma 09 Jolay 2021

Ny sasany tonga avy any dia mamory vahoaka “tsy misy fepetra” sy mampametra-panontaniana hoe tsy hay sakanana ve sa tsy sahy norarana mihitsy?

 Efa ela koa moa no niresahana teto fa tsy mivaky loha intsony amin’izany hahamehana ara-pahasalamana izany, raha ny hita tato ho ato, ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity firenena ity. Lafiny ara-java-kanto sy fiainam-piarahamonina ankapobeny no niresahana izany, andro vitsy lasa izay, fa ny hany izay tena maha lasa ny saina eto amin’izao fotoana izao dia ny hoe tsy hita mamofona fampandrosoana marina mihitsy hatramin’izao eto amin’ny firenena fa dia mamofona kajikajy sisa izay fihetsika politika miseho rehetra. Iny fanangonana olona tany Toliara farany teo iny moa izany no isan’ny nanaitra indrindra satria saika voasolo tena tao anatin’ny fanotronana izany daholo ireo faritany miisa 6 sy ireo faritra 22 eto Madagasikara. Saika hita tao anatiny tao daholo ireo heverina ho raiamandreny isam-poko sy isam-paritra. Heverina fa tsy azo tsinontsiniavina ary misy dikany ireny eo amin’ny lafiny atao hoe politika na dia antony ara-panatanjahantena aza no voalaza fa namoriana ireny olona marobe ireny. Tsy tokana ihany kay ny mpisehatra politika havanana amin’ny fanaovana “show” eto amin’ity firenena ity, mba tsy hilazana hoe mpitondra, fa mbola misy hafa koa ary efa tombanan’ny maro ho isan’ireo hihazakazaka amin’ny 2023. Hanjary ho saha hifandrombahana “showman” avo lenta ve izany ity Madagasikara ity manomboka izao ary dia tsy hiaina afa-tsy ao anaty sary mamirapiratra sy mampanofinofy fandrosoana sisa isika fa tsy tena hiaina izay fandrosoana izay mihitsy? Dia gaga ianao mahita ihany koa ireo mpiaradia akaiky amin’ny fitondrana izay manao antsoavo amina karazana haino aman-jery sy tambazotran-tserasera sahady hoe “izay minisitra na governemanta afaka hanomana ny 2023 amin’izay prezida jerena!”. Ny kere sy tsy fandriampahalemana ary fidangan’ny vidim-piainana anefa ity mbola mampikaikaika ny maro. Nivory niaraka tamin’ny governoram-paritra koa moa iny omaly iny ny minisitry ny atitany. Samy maminavina izay mety ho dikan’izany rehetra izany ny rehetra ao anatin’izao fahantram-bahoaka miha lalina izao.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT