Edito

Mamo miantso polisy !


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Dia tena miherongerona indray ny fanjakana HVM amin’izao fotoana izao fa hampiharina, hono, ny lalàna manoloana ny zava-niseho tamin’ny 8 jolay nanaovan’ny Antoko Tiako i Madagasikara ny fanamarihana ny faha-15 taonany, saingy nanaovana ankasoparana.

Ny mamo indray no miantso polisy ankehitriny satria vitan’ny fanjakana jadona mihitsy ny nanao bontolo nisakana izany vokatry ny hakanosana, ka raha ho avy indray ny fihaonan’ny mpitarika amin’ny vahoaka, ka tsy ho vita hatramin’ny handatsa-dra mihitsy ve ? Mai-molotra tsy nahita nambara tany aloha, fa izao vao mampiteny izao bodo sy adala milaza azy ho mahay sy mahalala izao, kanefa fanaratsiana sy fanompana mihitsy aza no mba hataon’ireny, satria jamban’ny vola hatosaky ny fanjakana tsy manan-kianteherana afatsy ny herin’ny vola maloto sy ny herim-pamoretana. Izany tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe ny olona jamban’ny vola, ary ny aloka jamban’ny taolana, ka raha famotsiana ny fanjakana halam-bahoaka no natao, dia fahafaham-baraka no notsenaina. Raha manan-kambo sy te hampihatra ny tany tan-dalàna, dia any amin’ny famoahana ny marina momba ireo raharaha maloto, toy ny an’ilay ramatoan’ny taona 2016-2017 no himasoana, fa tsy manangam-bovona sy manao adin’ny kanosa lava izao. Efa tena lany henatra sy efa donton’ny alahelom-bahoaka saingy mbola minia be hevi-petsy sy mihevitra ny Malagasy ho dondrona sy kentrina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT