Edito

Mamita fotoam-piasana sisa…


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Mamita fe-potoana iasana sisa, fa raha izay fahagagana heverina fa hataon’ity Fanjakana ity momba ny fandrosoan’ny firenena toa ho lavitry ny kitay ny afo

. Fitantanana miainga amin’ny toe-javatra miseho rahateo no eto fa tsy misy sori-dàlana mazava eo amin’ny teboka aiza isika izao ary teboka aiza no tanjona ? Miakatra ny vidin’ny entana ilaina andavanandro dia iny aloha no ifantohan’ny mpitondra Fanjakana mivadika ho raharaham-pirenena hoe : hanafatra sambo 20 isika. Miodinkodina eo ny andro sy ny fotoana, may indray ny « transformateur » an’ny Jirama any Andekaleka dia iny no lasa raharaham-pirenena ritina lava be hoenti-mandoka sy manome voninahitra ilay filoham-pirenena, ary izy mihitsy no midina an-tsehatra, saingy arakaraka ny ny nidinany tany no nampiakatra ny halavan’ny delestazy hisy hatrany amin’ny 12 ora tsy miato be izao,… Miankina amin’ny kiana amin’ny facebook sy ny toe-draharaha miseho tsy am-poizina ny fitantanana firenena, fa tsy misy sori-dàlana mazava izany intsony eto. Zary famafazana fampanantenana no manamarika ilay Fitondram-panjakana, ary tahaka ny tsy misy mpitondra afatsy tsy olon-tokana eto, ka iny hatrany no ezahina hasongadina. Indraindray toa tsikaritra ny hoe : mamorona olana, avy eo mitondra vahaolana mba hahatonga ny olona hihoby sy hidera ilay Filoha, tafiditra ao anatin’ilay làlan-tsaina filalaovana saim-bahoaka na « strategie de manipulation des masses » noresahin’ilay manam-pahaizana Noam Chomsky. Telo taona nitantanana ny firenena izao, ekena fa maneho an-tsary ho niasa, nahavita zavatra, nanangana fotodrafitrasa ary milaza mbola hanangana betsaka,… Raha ireny no hifampitanisana mety mba nahavita ihany koa ny hafa, ary mety nahay nitsinjo sy nanavaka ny tena ilaina maika sy kirendrarendra sy ny seho ivelany aza. Efa miditra amin’ny taom-pifidianana isika amin’izao fotoana izao, ny velirano sasany anefa ity toa vao manomboka ka asa hoe: amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fahagagana? Raha nisy ny hoenti-manana efa ela ireny no natao fa matoa aloha mihisatra dia ny vola mihitsy no tsy ampy na tsy misy. Izay IEM izany toa efa natelin’ny fotoana, izany PEM izany toa adino, ny velirano zary tsianjery sisa, ny Plan Marshall tsy hita izay vokany,… Hatramin’izao mbola mametraka olona ao anaty rafitra matoa manodidina ny 60 no olona ambony notendrena omaly, ireo ambasadaoro anefa hatramin’izao tsy misy,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT