Edito

Mametraka kely …


  • Alakamisy 06 Desambra 2012

Mba tsy ilazana hoe nihemotra, dia ambara fa tsy nivoatra teo amin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, 34/100 ny isa nomen’ny Transparency International antsika tamin’ity taona 2012 ity.

 Mbola ireo firenena any avaratr’i Eoropa tahaka an’i Norvezy izay nahazo isa 92/100 ihany moa no nambara fa tsy ahitana kolikoly indrindra maneran-tany. Araka ny tatitra nataon’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco dia ny zandarimariam-pirenena sy ny fitsarana no ahitana trangana kolikoly be indrindra eto amintsika, ary efa hatry ny ela izany. Izany hoe tsy mbola nahitam-bokany aloha hatreto ny ezaka natao tamin’ireo sehatra roa izay tena akaikin’ny vahoaka ireo. Fa mbola anjakan’ny kolikoly kosa ny eny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy any amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny Faritra, Kaominina, mipaka hatreny amin’ny Fokontany. Ny fisian’ny kolikoly no manome vahana sy miaro ny dahalo mpangalatra omby, ny mpanondrana an-tsokosoko boaderôzy sy volamena ary vatosoa isan-karazany. Io kolikoly io ihany no mampiparitaka ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia sandoka (permis vorontsiloza), ary ny kolikoly no tsy mety mampivoatra ny asam-panjakana.

Azo sokajiana ho kolikoly avo lenta ny fanaparitahana vola tao amin’ny foloalindahy tamin’ny 2009 ka nahatonga ny ampahany tamin’ny miaramila sy ny zandary handray anjara mavitrika tamin’ny fanonganam-panjakana. Areti-mandoza mamotika ny firenena isan’andro ny kolikoly, ary ny manahirana dia tahaka ny efa lasa fahazarana amintsika Malagasy ilay izy. Tsy maintsy mametraka kely foana isaky ny mikarakara taratasy. Misy ny mpanome dia misy ny mpandray, izay vao ambara hoe misy trangana kolikoly, mety vola, na entana, na tombontsoa manokana, na toerana (asa) no atolotra. Ny Malagasy moa dia nahita fomba famaritana hafa ny kolikoly mba tsy hanimba sofina be loatra dia nataony hoe : «fahafaliam-po», ilay izy. Raha atao angamba ny fanadihadiana dia vitsy dia vitsy ny olona teto Madagasikara, nikarakara antontan-taratasy tamina sampandraharaham-panjakana no tsy mba nametraka kely izany hanafainganana ny asa, ary na ny vahiny aza dia efa mahafantatra tsara io fomba «mahazatra» io.

Hita amin’ny sehatra rehetra ny kolikoly, ary raha ny resaka mandeha aza dia ny mpitondra sy ny mpanao politika no tena mpanao azy io. Izay ihany no hahafahana manazava ny famadiahana palitao sy fivadihan-dela tampoka be eo, ataon’ny mpanao politika. Tsy ny foto-kevitra no mibaiko azy fa ny vola, ka izay mahatolotra be indrindra no tohanany sy arahany. Ka rehefa manao ny mpitondra sy ny mpitantana dia mba manao koa ny vahoaka dia samy mba manao eo aloha, fa ho hita eo ihany e ! Tena ny toe-tsaina mihitsy anefa no potehan’ny fanaovana kolikoly, ka raha sady efa mahantra no potika toe-tsaina, dia inona intsony moa izany : mametraka kely mba… hanimba be !

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT