Edito

Mameno kapoaka


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Malaza indray moa tato ho ato ny resaka kapoaka. Anatina fanapahan-kevitra

 

 

goavana momba ny fifehezana vidim-piainana no nahenoana karazam-bahaolana izay nametrahana ity akora iray ity ho fitaovana ilaina voalohany hahatongavana amin’izany fifehezana ny vidim-piainana izany. Tsy mbola heno tao anatin’ny 60 taona izany hoe mba hampidinana ny vidin’entana na vidim-piainana dia aleo ny kapoaka famarana no jerena izay azo hanamboarana azy. Tena lojika hampidina ny vidim-bary tokoa ve izany, ohatra? Nandeha teo ny fanerena ny amin’ny tokony hampidinana ny iray kapoaka ho 550 ariary saingy niaraha-nahita anefa ny tatitra sy fitarainana voarain’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa tamin’ireo mpandraharaha anatiny fa miha mameno kapoaka hafa indray izany ity fanerena mpandraharaha avy eto an-toerana hivarotra vokatra nafaran’ny fitondram-panjakana avy any ivelany ity. Tsy inona akory izay kapoaka hita ho niha feno izay fa ny fahasorenana vokatry ny fiheverana ho fahitana famonoana an-kolaka ny tsena anatiny. Enga tokoa anie ka ho tsapan’ny vahoaka Malagasy manontolo ny vokatra miabon’izay lazaina fa fanapahan-kevitra miankina amin’ny kapoaka haroson’ny fitondram-panjakana izay, raha hisy, mba tsy ho sanatria resaka fahafenoana kapoaka hafa ankoatr’izay efa voalaza rehetra teo no hitranga ka hampipoaka hatramin’ny sarom-bilany, hoy ny fomba fiteny izay, ka vao miha hampikoroso fahana firenena indray.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT