Mamelona aina!

Madagasikara izany izao,


  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

raha oharina amin’ny olombelona,

dia ao anaty efitra fameloman’aina. Tombana marobe nataona mpamakafaka sy mpandinika samihafa, indrindra, nandritr’iny fitondràna nisy farany teo aloha iny ny hoe toy ny olombelona tsaboina homamiadana io Madagasikara io amin’izao fotoana izao. Fanoharana nataon’ny hafa koa, ohatra, ny hoe toy ireny tra-doza ka voatery nampidirina anaty efitra ho an’ny fitsaboana maika na «urgence» ireny ilay firenena teo saingy rehefa hitan’ireo heverina hoe tia tanindrazana ka nitolona nanomboka ny 25 septambra 2025 kosa fa sanatrian’izany an-dalam-pahafatesana mihitsy ilay firenena dia izao nanapa-kevitra hampiditra azy anaty fameloman’aina izao isika. Inona tokoa moa no zava-misy mampanahy tao anatin’izay 17 taona farany izay? Ny tena nisongadina indrindra dia ny resaka fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, izay heverina hoe avokavoky ny toekarena nefa izany. Tao ny trafikana andramena, ny vy tao Soalala, ny sokatra sy karazan-gidro, ny volamena, karazana vato sarobidy sy ny maro samihafa tsy voatanisa. Harena ambanin’ny tany sy ambonin’ny tany teo fa ny an-dranomasina koa dia niaraha-nahatsiahy fa ny minisitry ny jono namarana izany fitondràna teo aloha izany mihitsy no sahy nanao fifanarahana tamina firenena aziatika iray hoe avela ho tantanan’io firenena io ny harena tamina fari-dranomasina iray izay an’ity firenena ity. Takaitra ho an’ilay firenena izany na tiantsika na tsia ary tena mampanahy tanteraka hatramin’izao hoe ahoana izany no fomba ahafahana mamelona indray ilay firenena? Ahoana no ahafahana mamelona aina ny firenena? Ny sehatra rehetra misy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny fanavaozana, dia efa voageja na «monopolisé» avokoa ary sarotra ny mahita olona tena tia tanindrazana afaka hanavotra ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Mampari-koditra ny maheno izany ary indrindra ihany koa nahita sy naheno indray, ohatra, farany teo fa mandeha izany izao ny karazana fampihorohoron-tsaina hatramin’ny fifofoana aina ireo tandapa sasany mihitsy noho ny antony izay tsy mazava. Mitady hikitikitika ny tombontsoan’ireo lazaina hoe forongony sisa tavela anatin’ilay fitondràna ankehitriny ve ireo sa inona no anton’ilay karazana antsojay na fikasàna ratsy ho azy ireo toy izany? Inoana fatratra fa mamelona aina nefa aloha izao no tokony atao. Mamelona aina ilay firenena manontolo mihitsy!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT