Edito

Mamboly korontana !


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Tsy mety tapitra ny fandranitana sy fihantsiana ady. Efa efa miditra amin’ny aty vilanin’ny hafa mihitsy ny fanjakana HVM amin’ny filam-boatsiary sy famoretana,


kanefa ny fanjakana no tokony ho filamatra amin’ny fitandroana filaminana eto amin’ny firenena. Tsy izay anefa no miseho ankehitriny, fa te hampiseho sy hiedininedina fa matanjaka sy afaka manao izay tian-katao, ka mamboly korontana etsy sy eroa, raha tsy hilaza amin’io fihetsika atao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara io. Izany tokoa ve no entina hanaporofoana fa ny antoko HVM no matanjaka indrindra eto Madagasikara, araka ny efa nolazain’i Rivo Rakotovao? Novoizina hatrany ny hoe mila manaja lalàna, saingy ny antsoina hoe lalàna eto amintsika amin’izao fotoana izao, dia izay fepetra sy kajikajy mety amin’ny HVM, fa izay voafaritry ny lalàm-panorenana na lalàna voasoratra isan-tsokajiny any, dia efa ela no nohitsahiny sy tsy manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny basy aman-tafondro no miteny eto, fa izay andinin-tsoratra any tsy mikaonty, ka isan’ny manaporofo izany ny hoe ny didim-pitondrana avoakan’ny prefektiora no manan-kery sy manan-danja eo anatrehan’ny didim-pitsarana sy didy avoakan’ny filankevi-panjakana,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT