Edito

Mamboly fitaintainan-dava


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Tena ny vahoaka malagasy tokoa ve no mafy loha sa terena sy sarihan’ny zava-misy sy volena eo amin’ny fiainany an-davanandro ?

 

 

 

Firy isan-jaton’ireo malagasy eto amin’ity firenena faha 4 amin’ny mahantra indrindra eto an-tany ity tokoa moa izany no tena nahavita an-tsakany sy an-davany izany atao hoe fihibohana tamin’ny ampahany izany? Efa ho 2 volana izay no nanomezana soson-kevitra tsotra ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanaterana fanampiana eny am-baravaran’ny tokantrano malagasy rehetra. Sorohana faran’izay zokony ny fivorivoriana saingy toy ny rano mangatsiaka natondraka an-damosin’ny gana ny mba filazana izany fa diso manam-pahaizana loatra angamba ireo mpitondra antsika. Nifanesisesy tonga teo ireo famatsiana izay na ny sofina mihaino azy fotsiny aza dia mahatsapa hoe nitosaka izy izany saingy toa arakaraky ny nahatongavan’ireny no vao mainka nampisabadidaka ny toe-draharaha ankehitriny. Raha nantenaina ho raiamandreny hitondra tena fitoniana marina ny mpitondra fanjakana dia zary vao mainka izy ireo indray no toa lasa mamboly fitaintainan-dava ho an’ireo vahoaka. Amin’ny saina sy fo tsy miangatra, dia tena hoe fihetsika tomponandraikitra ve na dia ny milaza sy mampilaza fotsiny aza hoe nisy nalefa nody aloha ilay tranga niisa 67 nambaran’ny OMS tamin’ny herinandro ? Ny fitiliana na ireo « test » koa amin’io nambara ho tsy tena ao amin’ny fahatomombanany. Atao hoe na mety hanaja ny fepetra aza izy ireny rehefa tonga any an-tranony avy any, azo antoka ve fa tsy nisy nandray fiara fitateram-bahoaka, ohatra. Tsy hifanerasera amin’ny manodidina tokoa ve ? Ho tahiana manokana tokoa anie ity firenena ity !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT