Anaty vanim-potoana goavana natao hiandrandrana maraina vaovao ho an’ny firenena isika ankehitriny.
Vita iny ny fifidianana filoham-pirenena ary samy miandry ny valiny isika mianakavy. Ny miandry am-pitoniana angamba mbola azo iadian-kevitra satria samy manana ny fomba fiandrasany ny tsirairay. Ny tsy azo lavina, mandra-piandry ny volatra dia be ny “aza hitako” sy ny “izahay tsy hanaiky” ary ny “takinay” manao tohivakana. Tsy vitan’ny mamboly ady eo amin’ny samy mpiara-monina fotsiny ireo manampahefana mihevitra azy ho afaka hahita tombony amin’ny korontana tiany hatranga eto indray fa mbola mamboly hady hianjeran’ny firenena tsy hahatafarina azy tanteraka intsony koa. Ireo samy lehibe be kibo sady be hatoka na koa be palitao no hifandom-bera aorian’izao fa ireo vahoaka nanaovany kobaka am-bava dia avy eo nodarohan’izy ireo tamin’ny raharaha 1972, 1991, 2002, 2009 sy aprily 2018 ary izay mbola misy mikonona atsy ho atsy lasa mifanao otrik’ady sy mifandrafy. Miverimberina ny tantara ary zary lasa kolontsain’ny valalabemandry ny liana amin’ny fambolen’ireo mpanao politika vaventy ady sy hady. Averina indray fa ny tantara izay niseho teto hatreto dia tsy nampandroso na nahatafavoaka antsika amin’izao krizy lalina izao. Iza no matanjaka ? Ny mpanongana sa ny naongana ? Tsy nisy nandrasantsika afa-tsy fifanandrinana na ilay antsoin’ny frantsay hoe “duel” toy ny teo amin’ny filoha teo aloha Zafy Albert sy Didier Ratsiraka ny taona 1993 ihany no mbola andrasantsika amin’izao tontosantsika eo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ankehitriny izao. Hatramin’ny mpikirakira vaovao aza lasa tratran’ilay aretina. Hitondra ny firenentsika ho aiza anefa izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.