Mamban-tseza kanefa tsy mahomby !

Mafampana ny toe-draharaha


  • Alarobia 24 Septambra 2025

sosialy noho ny olana maro sosona miteraka krizy

ara-toekarena samihafa. Misongadina sy efa tena miteraka fipoahana ara-tsosialy ny tontolon’ny angovo sy herinaratra eto. Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno fanazavana, fampanantenana, filazavana fa manao zavatra tsy mora, mila manana faharetana,… An-taonany maro anefa tsy hita izay tena vahaolana, ka raha ampifandrifiana ny hadiry sy halavan’ny fampanatenana natao sy ny ezaka vita dia tahaka ilay làlambe migodana izay 80km anatin’ny herintaona no nampanantenaina fa 8km tao anatin’ny telo taona no vita. Dia afaka mandrefy sy misaintsaina isika Malagasy hoe : 400MW tao anatin’ny 5 taona no nampanantenaina tamin’ny 2018, fa delestazy am-polony ora isan’andro no iainana. Mangotraka ny serasera mikasika ny fitakiana sy hetsika eny Ambohijatovo rahampitso, dia mba somary nahena indray aloha ny delestazy omaly. Sary indray mipika ihany anefa ny hita hatramin’izay ka hanao ahoana indray ity ? Haharitra sa fampitoniana mikasika ny rahampitso ? Manoloana ny toe-draharaha, zary lasa tsianjery maimbo ny filazana fa tsy mila korontana, tokony havela hiasa ny olona,… Hain’ireo mpitondra ny miteny izany ho an’ny tombotsoa politikany, fa raha ny fitorehon’ny vahoaka momba ny delestazy dia efa an-taonany no namono ny fihariana, namotika asa fivelomana maro,… fa tsy mba naharototra fa lainga sy fanamarinan-tena ary serasera manaka-danitra fa vokatra poakaty no nisy teto, fa izay vokatra tsy misy. Mahana tsy henjehina ary ny seza sy fahefana no tena mahaseriny ny mpitondra, ka rehefa jerena ilay tsy manaiky korontana dia ny mety ho fiozongozon’ny sezany izay no tena heviny. Raha mpitondra tena mamaha olana sy manam-piniavana tsy mila mampiasa hery, tsy mila mahana tsy henjehina ka izay rehetra mihetsika dia hampidirina anaty kitapo iray ho « mpanohitra » sy « mpanakorontana »,… Olon-tsotra, mpanakanto, sehatra politika, sehatra ara-pinoana,… tsy nisy tsy nanaitra sy tsy nampaneno lakolosy, ka tena resaka fanoherana sy fitondrana ve no resaka sa ny olona fototra tena miankina amin’ny maha olona. Tena ny fanenjehana ny mpanohitra, ny famororonana trangan-javatra hanodinkodinana saim-bahoaka,… ve no mainka sa ny fitadiavana vahaolana ? Tsy adala ny olona, ary raha matoky tena ho mbola mahavita sy mamim-bahoaka ny mpitondra tsy tokony hihetsi-bolomaso amin’ny hetsika samihafa. Matoa raikitra hatramin’ny fitaomana « forces » hirohotra eto Antananarivo rahampitso dia tsy matoky tena ho nahatontosa ny andrasan’ny vahoaka aminy, tsy maharo azy ny lazaina fa vato azony tamin’ny fifidianana, hany ka asa mahana tsy henjehina lalandava !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT