Edito

Mamahan-dalitra vahoaka


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Tsy misy isalasalana fa dia izay no azo ilazana azy. Sahy mamahan-dalitra vahoaka an-kitsirano ny fitondram-panjakana ankehitriny raha ny fihetsiny tamin’ity herinandro ity no lazaina.

Efa zatra ny fampiesonana mitranga koa angamba ny Malagasy ka dia miandry izay higadonany sy mba miandry kendritohana amin’izay fihetsika tena faratampony amin’ny tsy voahevitra ataon’ny fitondrana HVM sisa ataony. Sahin’ny fitondrana ankehitriny ny namita-bahoaka tamin’ny filazana sy fanelezana tamin’ny haino aman-jery fa hisy ny fakan-kevitra lehibe izay tokony ho natao omaly hifandresen’ny rehetra lahatra ny amin’ny tokony hikitihana na tsia ny lalàmpanorenana mialoha izao fe-potoana manamorona ny fifidianana izao. Maninona no dia misy fitapitaka an-kitsirano fa hay kay ny alakamisy teo no mody nanaovana ilay fakan-kevitra ary tonga amin’ny filazan’ilay mpanao politika iray izay tokoa angaha hoe fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny no natao fa toy ny atrikasa efa nisy rehetra hatramin’izay ihany dia efa misy ny antontan-kevitra voaomana mialoha ary mody hampiampiana kely ny hevitry ny olona vitsivitsy tao anatin’ilay atrikasa fotsiny dia izay no atao hoe marimaritra ? Sambany angamba teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nisy mpitondra nifanaraka fa zoma no fotoana hifanomezana kanjo alakamisy talohan’izay no nanatontosana ny fihaonana. Sao dia efa fanimbazimbana tafahoatra ireo vahoaka ? Omaly hariva ihany moa dia efa nivory ireo mpanao politika izay nitsipaka iny fomba amam-panao iny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT