Mamafy rivotra, hijinja tadio !

Tsy misy maniry loza ary tsy mirary ny hisian’ny


  • Alatsinainy 22 Septambra 2025

rotaka sy sakoroka lava eto amin’ny Firenena isika,

saingy toetra amam-pihetsika asehon’ny mpitondra dia toa mihantsy ny hisian’izany. Henjana ny fiheveran-tena tsy ho tratry ny aloka eto, ka toa arakaraka ny tsy fahombiazana, arakaraka ny fahatezeram-bahoaka,… no toa vao mainka mandrehitra afo sy mandranitra. Tena mieritreritra ve ny mpitondra ankehitriny fa voaaron’ny basy sy ny vola raha sanatria ka ho avy tokoa ny patsa iray tsy omby vava ? Dia tena adala sy mankahala fitondrana be fahatany ve ny vahoaka mimenomenona amin’ny lafin-javatra maro ? Tena izao ve ilay velirano sy lokaloka nolazaina tamin’ny lazaina fa revolisionina ny taona 2009 sy nandritra ireo propangady tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ? Mena ny tondro rehetra, saingy ezahina hatrany ny mitady izay fomba hanaronana an’ireny, hany ka vita hatramin’ny milaza fa tsy mety amintsika ny maridrefy iraisam-pirenena mikasika ny fahantrana. Ny sandam-bola mitontongana faran’izay mafy sy tsy nisy tao anatin’ny 60 taona araka ilay fomba firesaka saingy lazainy fa raha tsy nahay nitondra izy efa 10000Ar ny 1euro. Lazaina fa tompondakan’ny indostria, tompondakan’ny fanjarian-tsakafo,… kanefa ny famokarana sy ny fanarenana ara-toekarena tsy misy politika mazava. Ny politikan’ny angovo tsy mahomby hany ka potika tanteraka ny seha-pihariana maro. Tsy ny famahana ny delestazy no handaniana rondoha fa ny fampitomboana ny politkam-pamoretana hoe : izay sahy mijoro sy mitarika ny vahoaka hiara-hanery azy hamaha olana dia hamoronana vesatra hanamehalana na hanagadrana azy. Politikam-panagadrana sy famoretana no hany fomba hoentina miatrika sy mamaha olana. Setrasetra politika sy fahefana tazonina amin’ny basy aman-tafondro no hitondrana ny tany sy ny Fanjakana. Hararaotina ny fahalemen’ny vahoaka, saingy asa mandra-pahoviana no hahomby io ? Asa tsy mba manahy an’ilay hoe : ny 99 andro no an’ny mpangalatra fa mbola hisy 1 andro ho an’ny tompony ? Tsy maniry loza, saingy mbola manan-kery ny lalantsaina sy soatoavin’ny Ntaolo hoe : Izay mamafy rivotra tsy maintsy mbola hijinja tadio ! Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiala maina, hoy ihany koa ny Raiamandreny am-panahy iray.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT