Mamafy rivotra, hijinja tadio !

Mahavalalanina ny mahita sy mandre


  • Zoma 12 Septambra 2025

ny teny amam-pihetsika ataon’ny mpitondra na olon’ny

fitondrana sasany. Ao anatin’ny toe-draharaha efa mafana sy mangotraka no mbola sahy mihantsy sy mandranitra. Diso matoky tena, matoky fahefana, matoky ny mpitondra hiaro,… Tena tsy nandray lesona tamin’ny tantara tokoa ve ka tsy mitsinjo izay mety ho farany sy ny fiarafarany ? Minia mikipy sy tsy mahalala fa pitik’afo kely no nahapotika fiainana mpitondra maro teto tao anatin’ireo krizy niverimberina. Tsy maniry ny hiverenan’izany fa kosa mampahatsiahy hoe : na izao fitondrana izao anie ka niainga tamin’ny fahadisoana na teny tsy voalanjalanja nataon’ny mpitondra naongany no niakarany teo. Ny tena zava-doza, ny efa manao ny tsy mety ankehitriny no sahy mihantsy sy manao vava ratsy mihoatra lavitra noho ny notsikeraina tany aloha. Ny mpanongam-panjakana no lasa mpanome lesona mikasika ny filaminana sy ny soatoavina repoblikanina kanefa ny fomba fitantanany firenena toa sanatrian’ny vava efa zary lasa endrika fitantanan-jiolahy sy mafia ? Marina fa mahomby ny fiarova-tseza sy fahefana, mahomby ny fifehezana ireo rafitra samihafa, ekena fa mifitsaka ny vahoaka satria ny hoanina anio tadiavina rahampitso,… Saingy mandra-pahoviana no hijanona amin’ny toy izany ny toe-draharaha ? Dia mbola haverina foana hoe : raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, ny tany no tsy asian-dratsy dia tahotra ny mbola hiverenana. Noho izany, tsy maniry ratsy na maniry loza ho an’ireo mpitondra sy olona ambony mbola sahy mihantsy sy maneso vahoaka amin’izao zava-misy izao, fa kosa tsy adala ny Ntaolo Malagasy raha niteny hoe : « izay mamafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio » ! Ny 99 andro an’ny mpangalatra fa ilay andro iray no mety ho sarotra ka asakasak’izay mbola sahy mihantsy sy maneso vahoaka ao anatin’izao efa fahoriana sy fahapotehana tsy roa aman-tany mahazo ny Firenena izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT