Edito

Mama aloha !


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Hanankarem-baovao indray ity herinandro ity satria, raha tsy misy ny fiovana dia ho avy eto Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana.

 Azo raisina hoe fisavana lalana hanomanana ny fodian'ny filoha Marc Ravalomanana avokoa izany rehetra izany. Azo antoka fa hanome aina vao ireo zanak'i Dada io fahatongavan'i Mama io. Efa maro be no misomebiseby manamboatra ny fandaharam-potoana fa eny Ivato indray izany mifankahita. Ao anatin'ny fandaminana avokoa izany ary lojikan'ny fanapahan-kevitra nivoaka tatsy Pretoria farany teo, hoe miverina eto Madagasikara mialoha ny 29 febroary 2012 Atoa Ravalomanana. Tsy maintsy hanova zavatra eo amin'ny tontolo politika ity fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana ity ary hanaitaitra indray ny andaniny sy ny ankilany. Mazava ny resaka eto fa manomana kianja i Mama fa efa ho avy tsy ho ela intsony i Dada. Andro sisa no isaina raha ny tokony ho izy. Lalana tsy maintsy diavina izany raha mikatsaka ny hisian'ny fitoniana marina ny rehetra.

Tsy tomombana ary mandringa ihany ny fiaraha-mitantana raha toa ka mbola misy ny fanakantsakanana sy fanilihana. Fa ny manitikitika ny sain'ny maro izao dia ny hoe : hisy NOTAM amin'ny minitra farany indray ve, sanatria havoakan'ny filohan'ny tetezamita ? Inona indray ny tetika hoforoninana hanakanana ny fidiran'i Lalao Ravalomanana eto ? Mandeha ny resaka fa efa misy mivory tsy tapaka any ambadibadika any hikaroka ny hevitra hanakanana io fodian'ny vadin'ny filoha teo aloha io. Ny resaka politika no hokitihana fa zavatra hafa mihitsy no harangaranga. Rtoa Lalao Ravalomanana mantsy no tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny orinasa Tiko, ka araka ny tsiliantsofina re dia toa hoe, efa misy miketrika dosie hanenjehana azy any ho any. Dia ho hita eo moa izay hitranga. Hotsarain'ny rehetra eto ny fahendren'ny Filohan'ny tetezamita sy ny finiavany marina handamina ny firenena. Andrasan'ny maro ihany koa ny ho fihetsiky ny praiminisitra Beriziky izay efa nanao antso avo tamin'ny fiverenany avy any Pretoria (Afrika Tsimo) fa tokony hahay hifamela sy hihavana ny Malagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT