Edito

Maloto hatrany am-pahaterahana…


  • Zoma 24 Mey 2019

Kihon-dàlana farany ho an’ny fampielezan-kevitra anio sy rahampitso. Mety ao ihany koa no mbola mijery sy mandinika farany, ka mikofokofoka farany ireo kandida.

 

 

 Nisongadina ny fihetsiky ny Filoha am-perinasa nanao propagandy ankolaka ny kandidany. Ara-bakiteny ilay hoe: “ratsy tarehy mangata-bady, ka ny anaran-dRay no enti-mangataka”. Ireharehana ny fivoizana ny hoe: “izahay no kandidam-panjakana nahazo tso-drano tamin’ny filoham-pirenena”. Ilay Filoha amin’io tsy te hahalala izay kihana samihafa fa mampiseho ny tena toetrany hatrany am-piandohana: tsy mpanara-dalàna, mpanao didin’ny be sandry,… ka toa mitohy ny 2009 sy ny tetezamita manaporofo ilay “sans qualités”. Takona ny zavatra sokajiana ho tsara sy mety. Voizina eto ny hoe: fanjakana tsara tantana, politikan’ny fitsitsiana, mangarahara,…. Voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana ve ohatra ireo angidim-by sy fiaramanidina novidiana sa hofaina hatrany amin’ny 40 tapitrisa ariary isan’ora? Nisy antso tolo-bidy ve? Miorina amin’ny lainga sy fitaka ny fanjakana amin’ny fijapiana ny tetikasa nataon’ny hafa ambaran’ny Filoha fa azy. Ny tetibola iasan’ny mpitondra aza vao andro vitsy no nasiam-panintsiana ary ny teo no mody navadibadika. Kimaizimaizina, fitaka, kolikoly,… ve no mbola hamafisina hanomezana depiote maro an’isa hiaro izany? Mila tonga saina ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT