Edito

Malemy ny fitondrana


  • Alakamisy 06 Septambra 2012

Ny talata lasa teo dia nanamafy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien fa ampy tsara ny miaramila sy ny fitaovam-piadiana entina miatrika ny dahalo.

Omaly alarobia indray anefa dia nilaza ny jeneraly Randrianazary, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tsy ampy isa ny zandary eto Madagasikara, ka mety izay no mahatonga ny olan'ny zandarimariam-pirenena miatrika ny asan-dahalo ary mampitombo ny isan'ireo zandary maty. Fanambarana tsy maharesy lahatra ny ankamaroan'ny olom-pirenena io, ary toa vao mainka manaporofo hatrany fa miala bala manoloana ny asan-dahalo any atsimo ny foloalindahy. Niandry fanapahan-kevitra hentitra sy matotra ny olom-pirenena omaly, kinanjo fipasohana ny efa malama ihany no nataon'ny foloalindahy sy ny mpitandro filaminana.

Resaka no betsaka fa tsy hita izay tena asa mivaingana. Efa mizotra mianavatra miakatra tsimoramora amin'ireo faritra tahaka an'i Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Menabe, Bongolava ny asan-dahalo fa tsy nijanona tany Anosy sy Androy ary Ihorombe fotsiny. Hatreto aloha dia hita fa mandroso ny dahalo ary mihemotra hatrany ny foloalindahy. Mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin'ny 2009 tamin'ny fanonganana ny fitondrana Ravalomanana ny zava-misy ankehitriny. Mibaribary ny fahalemen'ny fitondrana, ary tsapa fa tena matoky tena ireo dahalo. Efa misy maty sy maratra foana, izay vao mikorapaka ny fitondrana tetezamita.

Efa fantatra mialoha anefa ireo faritra mena amin'ny halatra omby sy asan-dahalo fa nahagaga ny fitarazohan'ny fandraisana fanapahan-kevitra. Halohalika ity ny ranombary vao samy mahatsiaro ilay horonan-tsarimihetsika dahalo dahalo, tamin'ny fiafaran'ny taona 80 ny rehetra. Ny dahalo atsy ho atsy no mety ho tompon'ny fahefana eto raha tsy mahavita mihetsika haingana ny manampahefana sy ny foloalindahy. Mampanahy ihany anefa ny fanambarana miendrika fialana bala nataon'ny jeneraly minisitry ny fiarovana omaly. Ka asa izay fahagagana hataon'ny filohan'ny tetezamita... amin'ny manaraka fa efa tena ratsy endrika ilay fitondrany e ! Tsy mahavita na inona na inona intsony.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT