Edito

Malaza ratsy


  • Zoma 09 Septambra 2016

Dia efa tena malaza ratsy mihintsy ity firenentsika ity. Ankoatran’ny laza ratsin’ny manam-pahefana Malagasy

sasany amin’ny resaka fanondranana harem-pirenena dia misy endrika hafa hitan’ny vahiny indray. Navoakan’ny sampandraharaha anglisy iray antsoina hoe Mercer, mpanome torolalana momba ny fitsidihana na fizahantany amina firenena iray fa laharana faha 218 amin’ny 230 ny Renivotr’I Gasikara eo amin’ny filaminana ara-politika, ny fahadiovana, ny fandriampahalemana. Ny vahiny mihitsy no efa manaporofo fa anjakan’ny gaboraraka ny renivohitra noho ny tsy fandraisan’andraikitra nisy teto. Miezaka manarina izany lesoka izany ny mpitantana ankehitriny saingy enjehina sy finganina. Ny fanjakana foibe no mijoro hisakana ny fampandrosoana tian-kapetraka eto noho ny lonilony politika sy ny tahotra ny ho takona. Dia ny fampandrosoana sy ny fampanarahan-dalàna mihintsy ve no sakanana raha ny mpitantana ny Kaominina no tsy tiana? Sady efa tsy mahavita ny adidiny amin’ny vahoaka ny fanjakana no mbola sakana amin’ny fampandrosoana sy lohalaharana amin’ny fampanjakana ny gaboraraka. 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT