Edito

Malaza ratsy


  • Sabotsy 05 Martsa 2016

Vao omaly hariva indray no jiolahy roa no maty voatifitry ny mpitandro filaminana teny Ambaranjana.


Efa jiolahy fanta-daza eny amin’iny faritra iny izy ireto raha ny fitantaran’ny manodidina. Tranga mbola manamafy indray fa tsy milamina ny eto amintsika na an-drenivohitra io na ambanivohitra ary efa tena tsy mifidy asiana mihitsy ireo jiolahy fa izay tandrify azy dia mahamay. Efa voarafitra ilay paikady vaovao hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena Rindra Safatsiroa ho an’ny Sehatry ny filaminana sy ny fandriampahalemana (RSS) ary natolotry ny governemanta ny filoham-pirenena ny 25 janoary 2016 lasa teo. Mby aiza moa izao ny fampiharana ? Inona no laharam-pahamehana efa nandraisana fepetra, taratasy fotsiny ve io RSS io sa mba efa nisy zavatra noraisina sy nampiharina. Toa isan’andro mantsy no andrenesana asan-jiolahy amin’ny endriny maro, betsaka ny savorovoro, miha  mahazo vahana hatrany ny fitsaram-bahoaka. Tsy mahatoky intsony ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ny olona. Izany ve isika no hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena roa amin’ity taona ity, sao dia hampitombo ny laza ratsy manerantany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT