Edito

Maka toerana ny Frantsay


  • Talata 18 Janoary 2011


Miha maro ihany no resy lahatra amin’izao fotoana fa olon’ny Frantsay 100% i Andry Rajoelina ary tafiditra ao anatin’ny fifanarahany tamin’ny Frantsay izay nanohana azy hatrany am-boalohany ny hamerenana amin’ny laoniny ny tombontsoan’ity firenena nanjanaka antsika fahiny ity. Niaraha-nahita tokoa mantsy fa sahiran-tsaina ny Frantsay tamin’ny fitondrana Ravalomanana satria nahatsiaro voailika tamin’ireo tetikasa goavana sy ny tontolon’ny fandraharahana tamin’ny ankapobeny mihitsy teto Madagasikara. Na dia niezaka ny niteny ny mifanohitra amin’ny zava-misy aza ny roa tonta dia nibaribary tamin’ny olona fa ratsy ny fifandraisan’Atoa Ravalomanana sy ny Frantsay satria voakitikitika ny tombontsoan’ny reny malala nigalabonany hatramin’izay teto.

Tsy naharesy lahatra ny mpitondra tamin’izany fotoana ny fitsidihana in-droa nataon’ny filoha Chirac teto, ny fahatongavan’i Alain Joyandet in-telo sy ny fihaonan’ny filoha Sarkozy sy Ravalomanana tany Paris. Ankehitriny, rehefa nirodana izany fitondrana tsy nanome vahana ny Frantsay izany dia miha miverina amin’ny laoniny ny fipetrahan’ny mpandraharaha Frantasy eto, ka namaky lay amin’ny famitranam-pihavanana Ingahy Bernard Tapie, ilay mpandraharaha sady mpanao politika Frantsay nalaza noho ny raharaha Olympique de Marseilles sy Adidas. Efa nigadra noho ny voalaza fa fanambarana hosoka nataony momba ny fananany sy ny hareny Ingahy Tapie saingy efa manomboka tafarina indray tato anatin’ny taona vitsivitsy izao ka mandraharaha amin’ny sehatry ny fanaovan-trano indray. Iray andro sy tapany taorian’ny kabarin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha ny zoma lasa teo no nahatongavany teto amintsika, ary dia efa nisy omaly teny Ambohitsorohitra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta.

Tsy misy adihevitra intsony fa dia hampiasa vola eto Madagasikara ary hanohana ireo tetikasan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ity mpandraharaha Frantsay ity, ary mbola maro be ireo namany ho avy eto. Tsy nataotao foana ilay hoe vahiny afaka mividy tany sy manorina trano eto, ka mahazo karatra hahafahany miditra sy mivoaka an-kalalahana eto Madagasikara fa dia natao indrindra hanamorana ny fidiran’ireo vahiny (izay mety ho Frantsay ny ankamaroany) voalaza fa hampiasa ny volany eto. Tsy mampihetsi-bolomaso an’i Andry Rajoelina intsony izany hoe hiverina sa tsia ny famatsiam-bola mahazatra avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena satria efa misimisy ihany, angamba ireo mpandraharaha nanome toky azy fa hampiasa ny volany eto. Ny mampanahy amin’ity resaka ity anefa dia sao lahy ka mpandraharaha hanadio vola maloto ireto hibosesika eto ireto, na ireo tsy mieritreritra afa tsy ny tombontsoany ihany.

Toa nokianina mafy tamin’ilay resaka fampanofana tany tamin’ny Koreanina Tatsimo ny fitondrana teo aloha, hay ankehitriny avela hiditra malalaka eto no sady afaka mividy tany sy manorina trano ary mbola mahazo soloina kara-panondro mihitsy ny vazaha hafa ! Etsy ankilan’izany rehetra izany dia mahatsiaro tena fa voailika sy tsy voaaro ny mpandraharaha Malagasy ary efa manomboka mampiaka-peo manoloana ny fijabahan’ny fanjakana be loatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny sehatra tsy miankina. Tena ho sarotra sy hanahirana ity raharaha iray ity raha sanatria tsy voatsabo dieny izao, araka ny nambaran’ny mpandraharaha iray satria tandindomin-doza ny mpandraharaha teratany kanefa omena tombontsoa mihoa-pampana ny vahiny. Koa raha sanatria voafehin’ny vahiny ny toekarena eto dia izay no izy ny amintsika fa dia fanovana goavana tokoa no nitranga satria firenena afaka sy mahaleotena no lasa voazanaka indray !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT