Edito

Maizina ny tany


  • Zoma 28 Mey 2010


Inona no hambara raha ny Fahazavana no takonana ? Inona no mbola holazaina raha ny mpanao gazety no fonjaina ? Maizina ny tany aman-danitra. Izay no zava-misy. Terena tsy handre afa-tsy feon-dakolosy tokana ny olom-pirenena Malagasy. Tampenana tsy hahita afa-tsy loko tokana koa ny masony. Atao hazalambo izay mbola miteny na mivorivory. Ilay zo sy fahalalahana omen’ny lalàmpanorenana mihitsy ankehitriny no voahitsakitsaka. Misy ny faly, ao ny mitehaka. Narabiana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo. Nohafokaina ho tsy nahavita zavatra holovain-taranaka koa ny mpitondra nifandimby teto tao anatin’ny 50 taona. Dia ihazakazahana ny hanaovana toeram-pialamboly, fa izay (hono) no laharam-pahamehana. Dia hanokanana vola am-polony miliara hamalifaliana ny olona. Dia ahoana ny amin’ireo Malagasy very asa, mitombo mameno ny arabe ? Dia ahoana ny amin’ireo mpiray tanindrazana mitoloko very fanahy mbola velona fa robain’ny sasany ny fananana nohariany sy nitsembohany an-taonany maro ? Dia ahoana ny amin’ny harem-pirenena atao tantely afa-drakotra, tsy hisy holovain-taranaka ity ? Mbola hisy masoandro mihiratra sa maizina tokoa ny tany, ka handeha ihany fa hijabajaba ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT