Edito

Maizina


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Mbola maizina ho azy 109 nosazian’ny filankevi-pilaminana sy fiarovana eo anivon’ny Vondrona Afrikana nambomboka ny martsa 2010 ny hoe rahoviana ihany no voafafa io sazy io ?

 Mbola maizina ho an’ireo miaramilan’ny BANI sy FIGN ihany koa ny hoe rahoviana ihany vao hohajaina ny tondrozotra ka hampiharina ny andininy faha-16, mampitsahatra ny fanenjehana ara-pitsarana ireo rehetra voakasiky ny raharaha 2002-2009, hisian’ny fitoniana eto amin’ity Madagasikara ity. Fa velon’ahiahy koa ny mponina ao Antsiranana taorian’ny fanapahan-kevitry ny orinasa ENELEC hampihena ho iray sisa ny gropy mpamokatra herinaratra hampiasainy noho ny tsy fanefan’ny Jirama ny volany efa mananika ny sivy volana izao. Ho maizina izany ny tanàna.

Ny Jirama anefa tsy mahandry na dia iray andro aza fa tonga dia manapaka jiro rehefa tsy mahaloa faktiora ara-potoana ny mpanjifany. Iray volana taorian’ny nanapahan’ny SADC hevitra ny hampihaonana haingana an’i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, hamaranana izao tetezamita izao, tsy mbola mety tanteraka io fampihaonana io. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, potika andro aman’alina ny toekarena, mitombo ny very asa, tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Etsy ankilany anefa dia misoko mangina ny vidim-piainana. Hisy fisondrotany ny vidin-jiro sy ranon’ny Jirama, efa nanondrotra ny azy ireo orinasam-pifandraisan-davitra sasany. Raha izao no mitohy, maizina ny hoavy, ary tsy hanam-pidiny ny vahoaka !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT