Edito

Maitre Sanga sy Marc Tatandraza Mpitarika sekta sady mpisoloky ?


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Raikitra ny sakoroka tao amin’ny fokontany Antanimasaja sy ny manodidina omaly talata maraina noho ny fivavahana miendrika fisolokiana izay tantanan’i Marc Tatandraza sy Maitre Sanga. Nisy fianakaviana iray avy any amin’ny kaominina Amboromalandy nilaza fa voafitaky ny mpanara-dia ny sekta

tantanan-dry Maitre Sanga sy Marc Tatandraza. Vokany, 6 ireo naratra ka voatery nentina tany amin’ny hopitaly. Nanampy tamin’ny fanalana ireo olona hivoaka io fiangonana io ny fokonolona tao amin’ny fokontany Antanimasaja. Tonga tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha saingy efa tara taorian’ny sakoroka niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Nametraka fitoriana ireto manana havana mivavaka ao satria dia mahatsiaro ho voasolokin’i Maitre Sanga sy Marc Tatandraza izy ireo. Mandeha koa ny resaka fa efa fanaon’izy roalahy izao asa fisolokiana izao. Voalaza moa fa mahay miresaka aok’izany ary manampahaizan amin’ny fandresen-dahatra ireo olona manaraka azy mba hivarotra ny fananany manontolo ny mpitarika ity antokom-pivavahana iray ao Mahajanga ity, ka ny vola azo dia ambara fa atao ampahafolon-karena ho an’ny fiangonana. Misy tsy mazava anefa ny raharaha ka izay no nahatezitra ny havan’ireo olona voasarik’i Maitre Sanga sy Marc Tatandraza ka nahatonga azy ireo nitroatra.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT