no olana eto amin’ity firenena ity, fa ny rafitra misy azy. Iza nefa moa no
nanaiky ny hijoroan’izao rafitra izao tamin’ny alalan’ny fifidianana lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny karnem-pokontany ny taona 2010 raha tsy io filoham-pirenena io ihany? Iza ihany koa no mbola tsy manaiky ny hanitsiana na hanavaozana hifanaraka amin’ny toetr’andro izany lalàmpanorenana, izay iaraha-mahalala fa mibaiko ny rafitra misy eto amin’ny firenena izany amin’izao fotoana izao? Tsy efa niantso fikaonandoha handinihina ny momba izany ve moa ny herivelona rehetra ankoatran’ny fitondràm-panjakàna ankehitriny? Iaraha-mahita io fa tsy manan-katao afa-tsy ny manome tsiny ny fanoherana ny fitondràna mijoro sy ny mpanaradia azy. Izay rehetra mitsikera ny tsy mety ao anatin’izao fitantanana izao aza moa dia boriboriana na atao indray mikapoka hatrany anatin’ny antsoina hoe mpanohitra na dia tekinisianina sy mpandinika izay tsy afaka ny hanampi-maso manoloana ny filazàna hoe ity mety na ity tsy mety aza. Nambara ombieny, nandeha ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka, ben’ny tanàna, loholona teto amin’ity firenena ity fa ny fananana olomboafidy amin’ny loko politikan’ny mpitondra no hahafahana mampandroso ny faritra na firenena eto amin’ity Madagasikara ity. Mankalàza izany hatrany ny firehana volomboasary ary tanteraka ankehitriny ny fananan’ity firenena ity mpitondra maro an’isa volomboasary ka maninona ary ilay firenena no mbola faran’izay mahantra indrindra eto ambonin’ny tany? Azo lazaina ho main’ny afo natsangany, araka ny fomba fiteny, araka izany, ny fitondràna ankehitriny satria dia io tsy afa-mihetsika sy mampandroso amin’ny alalan’ny rafitra natsangany ihany io! Efa mazava, hitam-poko, hitam-pirenena, hoy ny filaza, fa tsy misy ataon’ny filoham-pirenena afa-tsy ny mitety faritra miaraka amin’ny rantsa-mangaikany mitokana zava-bita, izay tsy voahavaka intsony hoe iza amin’ireny no fitoizana asa sy anatin’ny vinan’ilay fitondràna fa dia ny sary mitokana azy aloha no manjelanjelatra eraky ny haino aman-jery sy tambazotran-tserasera. Ny fizarazaràna tolotolotra sosialy tsy mahavita taona moa, etsy ankilany mandeha foana, fa aiza ihany izany ny tena tetikasa ahafahan’ilay malagasy miala tanteraka amin’ity antsoina hoe fahantrana tsy nety tafala taminy tanatin’ny 65 taona ity? Tsy ny hanome izany tanatin’ny 5 taona monja ve moa no nilokalokàn’ny filoham-pirenena amin’izao? Tsy afa-mihetsika araka ny tokony ho izy ve satria mbola tsy afa-miala amin’ny tsindrin’ny firenena frantsay na rafitra iraisampirenena samihafa? Main’ny afo natsangany!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.