Main’ny afo natsangany

Main’ny afo natsangany ankehitriny ny fitondrana


  • Talata 26 Martsa 2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Tsy miafinkafina intsony fa tena nipoaka nanomboka ny sabotsy teo mihitsy ny fizarazarana niha lalim-paka tao anatin’izay 15 taona izay. Nilaza am-pahibemaso moa ireny ny heverina ho raiamandreny be indrindra mpitari-tolona tamin’izany fa tsy izao iaraha-mahita ankehitriny izao mihitsy no nifanarahana tamin’ireny fotoana ireny. May volon-tratra tetsy ankilan’izay ireo izay milaza ho mbola miaro ilay fitondrana mijoro fa tokony hampiharina amin’ity raiamandreny be ity ny voalaza ao amin’ny andininy fa 74 mikasika ny fanesorana ny filohan’ny antenimieram-pirenena na ilay antsoina hoe «déchéance» ary tokony esorina amin’ny antoko misy azy koa ity raiamandreny ity fa tsy mitovy hevitra amin’ny antoko misy azy. Angaha moa tsy efa nesorina? Hevitry ny antoko sa fotokevitry ny antoko no tokony harahan’ny mpikambana ao anatin’ny antoko iray? Tsy vao taona vitsy, mba tsy hilazana hoe vao haingana, koa ve moa izay no efa nisy izany fikasana hanala amin’ny toerany ny filohan’ny antenimieram-pirenena izay fa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC? Tsy efa nisy fikasana hanongana praiminisitra mihitsy na hoe hitsipaka fitokisana amina praiminisitra mihitsy koa aza ve moa fa dia tratry ny fandavana hatrany koa? Miverina ny atao na ny antsoina hoe tody, hoy ny fahendrena malagasy izay ka asa izay ho tohin’izy ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT