Edito

Main’ny afo natsangany


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Mazava ny tenin’ny solombavambahoaka fa tsy maintsy hoesoriny amin’ny heriny rehetra ny filoha sy ny fanjakana nandatsa-drà sy nampamono vahoaka. Lasa lavitra izany ny raharaha noho ny didoha sy ny fanamaivanana ny hevitry ny hafa.

Niainga tany amin’ny kopisoroka teny amin’ny antenimiera, niitatra tamina rahom-bava sy fandrahonana, ka tonga hatrany amin’ny fampiasan-kery. Mitsimbadika aloha ny rasa ankehitriny, raha ny fahitana azy, kanefa dia mbola hafahafa ihany ny fihetsika sy ny vava be. Re anefa fa miantso vonjy sy toa mandadilady any ho any ihany ankehitriny. Miantso vonjy amin’ny vahiny, saingy ny hafa ihany koa anie mba efa nampahafantatra ny zavatra takiany sy kendreny e! Tsy sanatria natao hanenjehana be fahatany, fa io tsy firarahiana ny hafa io ihany anie no nampirodana ny sasany teo aloha e! Io fanamaivanana ny toe-draharaha somary kely io ihany no mitondra mankany olana goavana mety hampikoa na mihevi-tena ho mafy sy maozatra aza e! Saingy indrisy fa tsy nahay naka lesona. Ekena ary tena lojikan’ny politika angamba ny fikatsahana izay hevitra hahafahan’ny tena mandresy amin’ny fifidianana, indrindra fa ho an’ny olona eo amin’ny fahefana, saingy mba misy fotoana kosa hileferana. Dia tsy mba nisy ve na olona iray monja tonga saina tao anaty fanjakana tao, fa dia tena niray loha sy nobaikoin’ny fiarovana tombotsoa avokoa, ka maro no mbola nanao vava be tamin’ny haino aman-jery. Mba aiza ireny amin’izao fotoana izao? Tena mahavita miaro fitondrana tokoa ve? Ny sasany aza toa efa lasa nitsoaka matanjaka any ivelany. Ny sasany efa manomboka misabaka sy mitady hirika mba tsy ho voakitikitika sy ho tratra farany. Tsy maneji-dresy sanatria, ary tsy mbola misy rahateo angamba ny hoe tena resy, saingy tsapa ho main’ny afo natsangany ny fitondrana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT