Edito

Main'ny afo natsangany e


  • Zoma 18 Mey 2012

Tsy mitsahatra ny miresaka isika eto, isaky ny fiatombohan'ny herinandro vaovao fa hoe : miakatra ambony indray ny maripana eo amin'ny tontolo politika.

Tsy angano io na tantara noforonina fa tena zava-misy. Miitatra be ireo fanoherana ny fitondrana tetezamita sy fitakiana etsy sy eroa, ary hita fa tena sarotra ny ahitana vahaolana haingana amin'izy ireny. Midika izany fa mihamafy sy mihasarotra ny krizy, satria ny eo tsy voavaha, dia efa iny indray ny olana hafa mipoitra. Ny an'ny fampianarana tsy mbola voalamina dia efa manangam-bovona ny mpitatitra. Ny an'ny mpitatitra tsy mbola ahitana vahaolana mahomby dia iny fa efa milaza ny hitokona koa ny Paramed. Ary ny tena henjana dia efa tonga hatrany amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy ity resaka fitakiana sy grevy ity. Izao aza moa dia miditra an-tsehatra koa ny sendikan'ny mpanao gazety ary tena miantso olona sy vondron'olona hiaraka hitolona amin'izy ireo mihitsy, ary ny sabotsy izao eny Ambohijatovo ny fotoana.

Ao anatin'izany rehetra izany dia resahana fa hoe : misy mikasa hamono amin'ny alalan'ny ody gasy mahery ny filoha, ary napetraka eny Andafiavaratra ny dika mitovy amin'ilay satroboninahitry ny mpanjaka, fa dia efa kaontin'ny tsy ho hita intsony...angamba ilay tena izy. Misafotofoto ny zava-misy eto, ary na ny samy mpitondra aza toa mifanenjika sy mifampiahiahy izany. Misy ireo tsy manaraka ny baikon'ny lehibeny intsony, ao ireo midehaka fa hoe teknisianina hono, tsy azo anaovana "pression" ary matihanina sy mahafehy ny asany, kanefa olona tsy meloka no darohana sy samborina ary mbola robaina ny tranony. Na ahoana na ahoana ambara dia mazava ny resaka fa mikorontana ny eto ary tsy voafehin’ny mpitondra ny firenena. Sarotra amin'izy ireo ny mahita ny vahaolana, ary tena misy ireo mikasa mihitsy ny handrodana ny fitondrana.

Tranga fahita amin'ny fanaovana politika izany, ary efa nampoizina ihany satria i Andry Rajoelina no nanome lesona sy nampianatra fa azo atao ny manongam-panjakana na dia olom-boafidy ara-pomba demôkratika aza no mitondra ; vao maika moa fa olona nanandran-tena sy olom-boatendry. Tao anatin'ny roa taona sy tapany dia efa nazava tamin'ny maro fa tsy olona hitondra fanovana sy afaka hanavotra an'i Madagasikara izany i Andry Rajoelina, ary toa voa maika aza, gaboraraka lavitra noho ny teo aloha, no itantanany ny firenena. Nomena vola be ny miaramila nandrodana ny fitondrana Ravalomanana, mbola nahazo vola be hiaro ny fitondra Rajoelina, koa tsy mahagaga raha lasa lamaody ny fitakiana fampisondrotan-karama sy tambinkarama eto. Ho sempotra amin’io anefa ny fitondrana ary tena hirodana mihitsy, satria tsy ho vita izany hanome fahafaham-po ny rehetra izany. Koa tsy izany ve ilay hoe main'ny afo natsangany e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT