Fitakiana etsy, fitokonana eroa, fikonokononana hetsika any ambadimbadika rehetra any… Raha natao ny fampitahana dia nandritra izao fitondrana tetezamita izao angamba no nahitana grevy sy fitakiana tombontsoa ara-bola be indrindra teo amin’ny tantaran’ity nosy ity. Milaza fa mitaky ny zony avokoa ireo karazana fikambanana sy sendika misy eto. Nanomboka tamin’ny dokotera sy ny Paramed izany niampita tany amin’ny mpampianatra mpikaroka teny Vontovorona sy teny Ankatso, nanara-dia koa ny administratera sivily, tsy nanaiky lembenana ny mpitsara, efa nanao izay tratry ny heriny koa ny mpianatry ny oniversite, ny mpampiantra FRAM, ny mpitatitra, ny mpivarotra, ny sefo fokontany…
Tsy zavatra lavitra be no mahatonga izany fa dia ny VOLA. Milaza ho manam-bola sy afaka manao izatsy sy zaroa mantsy ny fitondrana tetezamita koa dia tonga tokoa ny olona amin’ny angady sy ny harona, mitaky ny mba anjarany, hany ka mivoaka sempotra isaky ny herinandro ny mpitondra amin’ny famahana ireo olana nateraky ny fitakiam-bola. Atao ahoana moa fa be loatra koa anie ny dokambarotra momba ny 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Wisco sy ny fampanantenana amin’ny hanaovana izao karazana fotodrafitrasa goavana rehetra izao, ka dia roboka tanteraka ao anatin’ilay tontolon’ny vola ny vahoaka, sahirana mitady ny harapaka anio. Ireo efa mpilomano kosa dia manararaotra mitaky ny tombontsoany. Tsy afa-manoatra firy ny mpitondra satria efa namoaka vava fa mahavita azy isika, ary tsy voatery hiandry ny fanampiana avy any ivelany izany foana. Nambara fa sady azo tanterahana ny fifidianana rehetra, no azo aloa ny karaman’ny mpiasam-panjakana, no sady mbola manana ambim-bava hanamboarana lalana, tetezana, kianja sy hopitaly ary … fonja «isika».
Dia hoy ny be vazivazy tsy manadino ny tantara hoe : «izay tokoa angamba vao tanteraka ilay hoe ny vola misy fa ny handaniana azy no manahirana !». Ary ny tena mahavariana dia izay mangataka dia mahazo, rehefa maharitra sy voan’ny baomba mandatsa-dranomaso kely, dia misy voasambotra kely. Raha mba misy fitokonana somary mahery vaika dia tsy lasa lavitra fa herinandro mahery eo ihany dia milamina, fa toa hoe neken’ny fitondrana, hono, ny ampahany betsaka tamin’ny fitakiana, izany hoe nisy ny fampanantenana fa ho azo ny karama, na ny tambinkarama, ary mety hitombo mihitsy aza.
Hita ho sady vahaolana no olana ho an’ny fitondrana tetezamita ihany ity resa-bola ity, satria tena raisin’ny olona amin’ny vavany ireo manampahefana sahy milaza ampahibemaso fa misy ny vola, ary tsy mila mitalaho amin’ny vahiny izany. Fa ny fanontaniana manitikitika fotsiny dia ny hoe : mahatody mandra-paharahoviana io volaben’ny FAT io ? Sa ny mpitondra manaraka eo ve no hameno ny banga, sy hanefa ny vola mety nindramina an-tsokosoko tany ambadimbadika tany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.