Edito

Maimbo rà ny tanàna !


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Maimbo rà ny tanàna na ara-politika na ara-tsosialy satria savoritaka tsy hifankahitana no iainana amin’ny ankampobeny.

  Variana amin’ny fifanjevoana politika no fikatsahan-tseza sy fahefana ny mpanao politika aty an-drenivohitra, fa mifandroba sy mifamotika kosa ny vahoaka any amin’ny faritra sasany, raha dinihina amin’ny zava-misy tany Betafo efa telo andro izao. Toa mampahatsiahy ny tantaran’ny 2009 ity resaka an-kandroba sy an-kandoro ity, izay mila fitandremana hatrany satria mety ho tondro molotra sy halaka bika tsy tiko tarehy no hamotehana fananan’olona. Tsy kolontsaina Malagasy rahateo izany mifandroba izany, saingy efa tena mivaona noho ny leson-dratsy. Tsy hitondra tombotsoa velively ny famotehana ny hafa noho ny mety ho tsy fitovian-kevitra na lonilonim-piarahamonina. Toe-tsaina tokony mba hananan-dRamalagasy ihany koa ny tsy fihainoana feon-dakolosy tokana, ka ho sendaotra noho ny fo ranomafana. Tomponandraikitra feno amin’izao fahapotehan’ny fiarahamonina izao ihany koa ny mpitondra fanjakana. Matoa miseho rahateo ny toy izao, dia tsy mipetraka intsony resaka fahefam-panjakana hany ka manao izay saim-patany ny vahoaka satria tsy misy mpiraharaha sy tsy misy mpifehy. Aiza tokoa moa no ahitan’ny mpitondra sy ny mpanao politika mamban-tseza izay olan’ny vahoaka any, fa ny sezany izao noho maha mainka, ary ny ronono an-tavy any anaty propagandy izao no hiomanana. Sanatriavin’ny vava ka efa ny mpitondra ambony no ho lasibatry ny fitsaram-bahoaka na koa ny fakana an-keriny, toy ny mahazo ny mponina any Malaimbady vao hikorapaka? Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka hatrany aloha izany no ady eo raha ny zava-misy e!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT