Edito

Maika tsy faingana


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Enga anie mba hifarana tanteraka ity fahamehana ity ary hangatahana amin’ny Mpahary mihitsy moa ny haha fongana tanteraka iny aretina nanakorontana ny fiainam-pirenena iny sy ny tsy hiverenan’izany eto intsony

 

. Na izany na tsy izany aza anefa dia tsy aritra ny tsy hilaza fa hita ho maika tsy faingana ihany ireo foto-drafitrasa sy asa tanterahan’ny fitondrana misy eto amin’ity firenena ity. Izay tokoa angamba no efa kolontsaina sy fomba fiasa nahazatra ny filoham-pirenena ankehitriny sy ny ekipany ka sarotra aminy no miala izany na dia efa hita ho mandringa sy tsy tena mitondra fampandrosoana ilain’ny vahoaka aza. Tsaroana ny Coliseum sarotra fenoina etsy Antsonjombe nahorina tamin’ny tetezamita 2009-2013. Toy izany koa ireo hopitaly manarapenitra maro isaky ny faritany saingy mbola nifampitadiavana dokotera hitsabo sy fitaovana hitsaboana ireo marary. Io izao ankehitriny dia ny ben’ny tananan’ilay kaominina hisian’ny tetikasa EPP manara-penitra mihitsy no miantso hoe mba ataovy mpiasam-panjakana ny mpampianatra FRAM aty aminay satria rehefa tsy tomombana ny mpampianatra dia tsy ho zarizary foana io fampianarana io na ho vita sy tsara tarehy aza ny trano fianarana. Maro amin’ireo sekolim-panjakana, indrindra, any ambanivolo any aza moa no tsy ampy ny isan’ny mpampianatra fa mpampianatra 1 mandray kilasy roa aman-telo. Efa voajery daholo ve ireny. Hifaraparana ity ny hahamehana, hoy ny filoham-pirenena. Tsy efa tara fiaingana koa ve izany ilay tetikasa hamokatra CVO+ sa sanatria faniriana iny aretina iny ho mbola hisy andiany faharoa toy ny any amin’ireo firenen-kafa ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT