Maika ny vahaolana

Mangorintsina hatrany ny any anaty rehetra


  • Alarobia 30 Aogositra 2023

any. Ontsaontsa ny fo sy fanahy rehefa sendra mahita na mandre

 trangam-piarahamonina ahafahana mandrefy ny alalin’ny fahantrana sy fahasahiranam-bahoaka misy eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Efa heno teto izany hoe lehilahy lehibe mananika ny 70 taona na feno 70 taona no tratran’ny fokonolona nangalatra katsaka na mangahazo na akoho. Niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy ny sasany. Misy renim-pianakaviana efa somary lehibe toy izany koa dia hoe tratra manatontosa halatra madinika na ilay antsointsika hoe hala-boty toy izany. Nangotika indray omaly ny fon’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao nahita ity raim-pianakaviana iray izay tsy mba hoe volabe no nangalariny tao amina tranombarotra. Tsy fitaovana lafo vidy na mamirapiratra be tahaka ny volamena. Tsy fanaka sarobidy fa kahie 2 fonosana na “2 paquet”. Kahie 2 fonosana no nangalarin’ilay raim-pianakaviana tao anatin’ilay magazay iray tao Mahajanga ao anatin’izao akatoky ny fidiran’ny mpianatra izao ary noho ny tratra moa ny lehilahy dia tena nahavita nibabobaboka sy nifompona mihitsy. Samy nitsetsetra ny ankamaroan’izay nahita ny tranga avy ety ivelany. Tao ny niteny hoe “Avelao re ho azy raha tena tsy manan-katoraka hividianana ho an-janany intsony izy e!”. “Mamindrà fo aminy re raha tena ho an-janany no hanaovany an’izao e!”. Ny hoe “Ontsa anao aho ry fireneko!” moa dia tena niraradraraka mihitsy nahita ity tranga tokana saingy tranga isan’ny nahafahana nandrefy ny fiainam-pirenena manontolo eto Madagasikara ity. Nahafahana nandrefy hoe hay ve ity fahantrana eto Madagasikara ity ka tena lalina be toy izany e! Hay ve misy olompirenena maniry mafy ny hampiana-janaka eto amin’ity firenena ity saingy nodinganin’ny vintana tsy mba toa ireo afaka manondrana an-tsokosoko volamena 73,5kg na mamadika volamena milanja 48kg ho vy mihidy anaty kaofrana minisitera sy biraona minisitra sy efa nolalovan’ny praiminisitra e!? Nisokatra moa iny omaly ny fikaonandoha notarihin’ny FFKM ny amin’ny hoe hijerena vahaolana maika satria tsy misy afaka hilaza mihitsy intsony fa mbola mandeha ny toekarena, sosialy, politika sy ny rehetra eto izao fa samy marary daholo. Miandry ny fitondram-panjakana handefitra sy handray anjara ny herivelona maro satria maika ny vahaolana ary saika ambetin-teny hatrany izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT