Edito

Maika ny ho lany fotsiny e


  • Zoma 22 Novambra 2019

Azo nisaina tamin’ny rantsan-tanana ny depiote tonga teny Tsimbazaza handinika mikasika ny tetibolam-panjakana ho ampiasaina amin’io taona ho avy io. Mbola variana manao propagandy, hono, mantsy ny ankamaroany.

 

 Asa hoe hanao propagandin’izay te ho ben’ny tanàna amin’ny taom-piasana manaraka indray ve izany no nikaotian’izy ireo ny mpifidy azy sy nifidianana azy ihany koa sa handinika sy hanao ny lalàna misy eto amin’ity Madagasikara ity? Asa na noho ilay fihetsiky ny filoham-pirenena izay lazain’ny mpanao politika sasany ho mbola toy ny filohan’antoko no anton’ny tranga mampiseho tsy firarahiana vahoaka toy ireny fa ny tsapa aloha izany izao dia hita ho samy maika ny ho lany fotsiny daholo ny ankamaroan’izay rehetra nandalo. Tsy misy hetsika mitory sy mivoy fampandrosoana mazava loatra fa ny nahazo ny fitondrana foibe io iaraha-mahita io miezaka manao izay azony atao rehetra mba ho azy ireo irery ihany ny seza rehetra misy eto amin’ity firenena ity. Nisy tamin’ireo kandida sasany izay nambabo mpifidy tamin’ny alalan’ny firotsahana tamin’ny anaran’ny lisitra tsy miankina koa anefa no andro vitsy taorian’ny nahalany azy ireo dia niara-namoaka fanambarana hita miharihary fa manao pi-maso an’ilay nolazaina fa nolavina teo anatrehan’ny vahoaka. Ahoana moa no hahafahana manakana ny saina tsy hiheritreritra fa ny anton’izany rehetra izany dia tsy misy afa-tsy ny fitazomana sy fanatsarana seza hatrany. Afaka 5 andro izao dia hivaly indray ny fifidianana ben’ny tanàna. Mety andro vitsy aorian’izay koa raha tsy ho lalaovin’ny sasany indray dia ho ambara amin’ny fomba ofisialy ireo hitarika izay kaominina misy eto amin’ity firenena ity. Enga anie mba tsy ho hita koa fa maika ny ho lany fotsiny izy ireo.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT