Mazava izao ny resaka fa mety hotendrena amin’ity herinandro ity ihany ny praiminisitry ny tetezamita, araka ny ambaran’ny sori-dalana.
Azo hanaporofoana izany ny fametraham-pialan’ny governemanta Vital ny alatsinainy lasa teo, sy ny filazan’ny filohan’ny FAT fa anio amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva no handraisana ny anaran’ireo praiminisitra atolotry ny vondrona politika tsirairay avy. Mihazakazaka tokoa ny toe-draharaha satria hita fa efa samy maika ny hamarana ny krizy ny rehetra. Tsikaritra ihany koa fa dodona hanendry ny praiminisitra ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Ny praiminisitra vaovao avy eo no hanangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena tena izy, aorian’ny fifampidinihana amin’ireo vondrona politika. Araka ny voalaza ao anatin’ilay sori-dalana dia farafahatarany ny 1 novambra no voatendry ny praiminisitra, ary ny 17 novambra kosa no mitsangana ny parlemantan’ny tetezamita (CT sy CST).
Raha ny fahitana ny zava-misy ankehitriny anefa dia mety ho vita mialoha ny faran’ity volana oktobra ity avokoa na ny fitsanganan’ny governemanta na ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny CT sy ny CST. Ny antony dia satria misy ireo lalàna tsy maintsy hodinihana maika, mila ny fankatoavan’ny parlemanta ara-dalàna, ifanarahan’ny rehetra araka ny volazan’ny sori-dalana. Rafitra amin’ny endriny vaovao no tokony hanolotra sy handinika ary handany ireo lalàna ilaina amin’ny fihodinan’ny tetezamita mba hialana amin’ny fifandisoan-kevitra indray. Azo antoka mantsy fa tsy hanaiky ny lalàna efa nolanian’ny CT sy ny CST ankehitriny izay anjakan’ny ankolafy Rajoelina ireo vondrona politika hafa tahaka ny Ankolafy 3. Noho izany dia azo heverina ho tahaka ny tsy misy ihany ny zava-drehetra vita mialoha ny nanasoniavana ilay sori-dalana teny Maibahoaka ny 17 septambra lasa teo. Manamafy izany rahateo ny andininy faha-30 ao amin’ny sori-dalana izay milaza fa : «manafoana sy manolo ny fepetra sy fifanarahana rehetra noraisina momba ny fitondrana tetezamita ny sori-dalana».
Tsy dia mila fanazavana fanampiny lavabe intsony angamba io andininy faha-30 io fa tena mazava tsara. Foana sy tahaka ny tsy misy izay fanapahan-kevitra rehetra noraisina momba ny tetezamita mialoha ny nanasoniavana ilay sori-dalana. Noho izany dia fototra vaovao no iaingana raha toa ka handinika sy handany lalàna iray ny tetezamita. Fifidianana moa no tsy maintsy hamaranana ny fitondrana tetezamita. Zava-dehibe loatra ny lalàna mifehy ny fifidianana izay tsy maintsy dinihana sy ankatoavin’ny parlemanta, efa nisy ireo lalàna neken’ny CT sy ny CST saingy azo antoka fa tsy hanaiky mora an’ireny ireo vondrona politika hafa izay izao vao hiditra ao anatin’ny tetezamita. Tsy maintsy averina, araka izany, ny fandinihana azy ireny mba ialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana. Hafa ihany koa ny adihevitra rehefa tena mahatafiditra ny olony ao amin’ny parlemanta ny vondrona politika rehetra. Fantatra ihany koa fa hisy tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ho avy eto Madagasikara amin’ny herinandro ambony.
Tsara kokoa raha mba efa ilay governemanta vaovao araka ny sori-dalana ary ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena no mandray azy. Farany dia mety hiondrana any Frantsa amin’ny faran’ity volana ity Atoa Andry Rajoelina ka tsy maintsy mba mandamina tsara ny eto an-toerana aloha izy vao mandeha. Amin’izay koa afaka milaza any ivelany fa efa tafajoro ny governemantan’ny firaisam-pirenena notakianan’ny sehatra iraisam-pirenena ka mety hivadika ho fitsidihana ara-pomba ofisialy ihany ity dia any Frantsa ity ka afaka ny hihaona amin’ny filoha Sarkozy ao amin’ny Lapan’i Elysée ihany ny filohan’ny FAT
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.