Edito

Mahotra ny masony !


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Tsy honohono na angano intsony fa dia hivory any Luanda renivohitr’i Angola ny 16 sy 17 aogositra ho avy izao ny SADC ary hodinihana mandritra izany ilay sori-dalana nasiam-panitsiana ho amin’ny fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara.

 Raha izay no izy dia kazarana fanehoan-kevitra ihany izany no re hatreto aloha, na ny nataon’ny Dr Simao na ny an’ny Dr Salomao na ny an’i Chissano, na ny an’ny FAT na ihany koa ny an’ny Ankolafy telo sy ireo mpanao politika maro samihafa, fa mbola hamoaka ny fanapahan-kevitra amin’ny fomba ofisialy ny SADC aorian’ny fivorian’ireo filoham-panjakana ao amin’ny io 16 sy 17 aogositra io. Ny fivoriamben’ny filoham-panjakana ihany no rafitra mpanapa-kevitra ao amin’ny SADC, araka ny sata mifehy azy sy ny fitsipika anatiny, ka na inona na inona zavatra atao dia tsy maintsy miandry io fivoriana io ny fanapahan-kevitra farany, indrindra fa raha misy hevitra manjavozavo. Raha jerena ny tetiandro dia farafahaingany ny 17 aogositra izao no ho fantatra indray ny tena marina momba ilay sori-dalana nasiam-panitsiana, satria amin’io daty io no tokony hamoaka fanambarana ofisialy ny fivoriana any Luanda.

Midika izany fa ny 18 aogositra na mety amin’ny herinandro manaraka mihitsy vao mety hisy iraka manokan’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ho avy eto Madagasikara handamina ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana. Ka asa aloha raha nahafantatra tsara izany rehetra izany ny FAT na ahoana fa tsy mitombina ny filazana fa ny herinandro voalohany na ny herinandro faharoan’ny volana aogositra ny hanataterahana ny fanaovan-tsonia eto Madagasikara. Ny maharaka tsara ny vaovao politika moa tsy dia gaga amin’izany, satria efa fomba fiadin’ny mpanao politika ihany ny kobaka am-bava sy ny lainga isan-karazany mba handemen-tsaina ny mpifanandrina aminy, saingy ny manahirana amin’ity raharaha ity fotsiny dia tahaka ny lalaovina ny Vahoaka sy ny fiainam-pirenena ka resaka daty no hifanasana vangy eto !

Mampieritreritra ny maro ihany koa ny hoe : raha ambaran’ny SADC moa izany fa averina arafitra mihitsy ny tetezamita, miditra ao ny Ankolafy telo ary avela mody tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro ireo filoha mirahalahy teo aloha sy izay miaraka aminy rehetra mialokaloka any ivelany any dia ahoana indray no ho fitrangany ? Ary raha efa tsinjon’ny FAT fa ho hafahafa ho azy ny zavatra hivoaka eo, nahoana no tsy sahy manambara amin’ny fomba ofisialy ny filohany Andry Rajoelina fa aoka izay ny fanelanelanan’ny SADC fa atao ny fifidianana, ka izay mazoto dia miditra ary izay tsy mazoto dia mipetraka tsara mitazana fotsina aloha. Te haka ny lohany kanefa matahotra ny masony ny fahitana ny FAT amin’ny famahana ny krizy, hany ka misabaka isaky ny mihetsika dia izao mandroso mihemotra izao foana ny raharaha. Tsy mety miainga mihitsy ny sambo satria tsy hain’ny mpamily izay lalana izorana, mety be loatra koa ireo mpanolotsaina samy milaza izay eritreretiny fa mety koa sanganehana ingahy filoha dia io manipy baolina any amin’ny hafa io mba hanapa-kevitra amin’ny toerany.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT