Edito

Mahomby amin’ny inona moa ?


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Ambara fa anisan’ny Filoham-pirenena 5 mahomby aty Afrika ny Filoham-pirenena Malagasy.

 

 

Raha raisina amin’ny lafiny miabo, dia rehareha ho an’ny firenena tokoa izany, ary voninahitra ho an’i Madagasikara ny laza ananan’ny Filohany. Raha ho an’ny lafiny miiba kosa, dia betsaka no azo tenenina ? Tena azo ireharehana sy azo ambara ho fahombiazan’ny fitondrana ve ny krizy amin’ny endriny maro miseho eto? Mpitondra ambony manondrana sy voarohirohy amina afera maloto, tompon’andraikitra ambony mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna manalabaraka sy raisin’ny olona ho tandindon’ny fanjakana manontolo, ny firenena mikorontana sy tsy milamina raha tsy hilaza afa-tsy ny vaky fonja,… Ny zavatra tena nisongadina, dia ny fampalazana tena izay nisy akony tokoa tany Afrika. Serasera manaka-danitra, tonga hatramin’ny hoe handefa mpitsabo hanao andrana any Afrika ny Malagasy ary afaka 15 ny vokatra, hanangana ozinina ngeza indrindra aty Afrika,… Asa mby aiza sy manao ahoana ny vokatr’izany ankehitriny? Na tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika dia nisy ny famoronana “buzz” na toe-javatra lasa resabe teto amin’ny firenena dia ny fitakiana ny Nosy Eparsa amin’ny Frantsay. Inona ny asa vita sy natao taorian’ny resabe kanefa ny Frantsay nahavita dingana ho azy? Dila ihany ny fe-potoana. Mahay miresaka, mahay mampanantena, te hanangana sy hanao zavatra,… ny fitondram-panjakana, saingy hatreto aloha mety izy ireo no mahatsapa tena ho mahomby, fa ny vokatra misy akony amin’ny vahoaka Malagasy kosa mbola mitsiriritra ny firenen-kafa isika, ary ao anatin’ny rambony aty Afrika. Asa aloha na fahombiazana ny fampitrosana vahoaka mitaha amin’ny zava-misy toy ny any Ghana izay tsy mampandoa saran’ny herinaratra hatramin’ny faran’ny taona ny fanjakana any? Ny antsika ny volam-bahoaka ihany no hampitrosaina aminy, izay mbola ho trosany mandavan-taona amin’ny taona ho avy. Sao dia mba zavatra hafa no tokony hireharehana fa tsy ny tsy fahombiazana ?

 

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT