Mahita ny maizina

Ara-bakiteny ankehitriny ny filazana hoe «firenena mahita ny maizina».


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny ity tokoa ve izany ilay ambaran’ireo mpitory teny

na mpitondra fivavahana samihafa hatramin’izay hoe mbola ahita ny maizina ity firenena ity raha tsy mitandrina? Izay aloha tsinona izao no miharihary ary samy mahita izany daholo rehefa antsoina hoe malagasy ka monina eto amin’ity firenena ity. Tena hoe mahita ny maizina. Lafiny ara-bakiteny izay fa amin’ny lafi-piainana samihafa koa dia azo bangoina amin’ny hoe mbola maizina ankehitriny ny hoavin’ny firenena sy ny malagasy ao aminy. Ny toekarena miha potika andro aman’alina, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo efa fantatry ny mpanara-baovao maro toy ny miankina amin’ny raharaha Madagascar Airlines, ny JIRAMA, ny Kraoma na Kraomita malagasy, indrindra, ireo mifandrirotra amin’ny resaka fitrandrahana maro samihafa eto amin’ity firenena ity. Tsy lazaina intsony ny mikasika ireo trafikana andramena tao anatin’ny tetezamita 2009-2013, ny volamena mivadika vy na koa volamena 73,5kg, ny vy tao Soalala sy ny ambiny rehetra tsy voatanisa. Ny ara-tsosialy moa dia ireny niaraha-nahita mbola tsy fantatra mazava ireny koa ny tena niafarany mikasika ny raharaha «Bonbon sucette» tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na ny raharaha «écran plat» tamin’ny andron’ny COVID 19. Ny fidangan’ny vidim-piainana manaraka eny foana. Toy izany koa ny tsy fandriampahalemana mirongatra. Lazaina ho atao hazalambo foana ny atsy sy aroa nefa ireny niaraha-nahita farany ireny ny zava-nisy tany Anjozorobe. Efa maty ny olompirenena miisa 5 vao hoe voasambotra ny mpaka an-keriny. Mbola fanontaniana mipetraka koa aza ny hoe iny olona iray iny irery ve izany no tomponandraikitra tamin’ny fakana an-keriny sady famonoana azy 5 lahy ireny? Andrasana ihany ny vahaolana haingana sy tena maharitra isan-tsehatra hatramin’izao saingy ny maizina hatrany foana aloha no tena hita. Izany no tena hoe mahita ny maizina ara-bakiteny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT